Kôlônely Ratsimandrava Richard : Famelabelaran-kevitra, ho fahatsiarovana ny faha-50 taona nahafatesany
50 taona katroka rahampitso 11 febroary 2025 no nahafaty voatifitra ny kôlônely Ratsimandrava Richard, teny Ambohijatovo ambony. Natomboka androany 10 febroary 2025, tamin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra, teny amin'ny Havoria Anosy, ny fanamarihana izany fahatsiarovana izany.
Tsy miamboho adidy
"Mpitandro ny filaminana tsy miamboho adidy, mahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana" no lohahevitra novoizina tao anatin'ny famelabelaran-kevitra androany, izay nandraisan'ny fianakaviamben'ny Mpitandro ny Filaminana anjara, nahitana ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena ary ny Tafika.
Fampahatsiahivana ny tantara no tena nifantohan'ny hetsika, izay manana tanjona roa, hoy ny mpahay tantara sady akademisianina, ny Pr Ranjatohery Harilala. Eo aloha ny fanatanterahana ny adidy fahatsiarovana, mba ho haja sy voninahitry ny kôlônely Ratsimandrava Richard, izay olomangan'ny firenena. Fa natao ihany koa ity hetsika ity mba ho fandinihana indray ireo foto-kevitra lehibe nandrafitra ny vinan-dRatsimandrava, momba ny lalam-pandrosoana noheveriny fa hitarihany ny firenena, satria naharesy lahatra azy sy antony nahatonga ireo vahoaka maro nanaraka azy izany, tamin’ny fotoana mbola naha-minisitry ny atitany azy. Tsy inona izany fa ny rafitra fokonolona, izay notovozina tamin'ny soatoavina malagasy.
Fampirantiana an-tsary sy famelabelaran-kevitra
Santatra ihany ny androany, fa mbola hitohy ny hetsika fahatsiarovana ny faha-50 taona nahafatesan'ny kôlônely Ratsimandrava Richard, izay karakarain'ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina. Mbola hisy ny fampirantiana an-tsary sy ny famelabelaran-kevitra hiarahana amin'ny Pr Ranjatohery Harilala, rahampitso.
11 febroary 2025 sy ny 12 febroary 2025, samy amin'ny 2 ora tokalandro, eny amin'ny Lapan'Andafiavaratra. "Fokonolona, fanoitra ho amin'ny fanafahana sy fampandrosoana an'i Madagasikara", no lohahevitra hovelabelariny rahampitso, raha toa ka "Ny adidy ho an'ny tanindrazana, araka ny hevitry ny Kôlônely Ratsimandrava Richard kosa, no vontoantin'ny famelabelaran-kevitra ny 12 febroary. Hisy ihany koa ny fametraham-boninkazo ho fahatsiarovana ny faha-50 taona nahafatesan'ity olomangan'ny firenena ity, eny Ambohijatovo Ambony, amin'io andro io ihany.



