Aretina androbe : Tsy vokatry ny « asan’ny maizina », araka ny fiheverana sasany
Marihina isaky ny alatsinainy faharoa amin’ny volana febroary ny andro iraisam-pirenena ho an’ny androbe (épilepsie), izany hoe : androany 10 febroary 2025, ho an’ity taona 2025 ity. Nanatanteraka fampahafantarana ny momba ity aretina ity, sy ny fiantraikany aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, ny fikambanan’ny mpanao gazety, REMAPSEN Madagasikara, androany, teny Ambohidahy.
Aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana
Araka ny nambaran’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fahasalamana (OMS), dia monina aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana avokoa ny 80%-n’ireo olona tratran’ny aretina androbe. Tsy tokony hihetsika krizy ny 70% amin’ny olona marary, raha toa ka hita mialoha sy voatsabo araka ny tokony ho izy, hoy hatrany ny OMS. Ny zava-misy anefa, eto Madagaikara, dia heverin’ny olona sasany ho « asan’ny maizina » ny androbe. Antony mahatonga ny olona sy ny fianakavian’ny marary tsy manatona dokotera izany, hoy ny Dr Rakotoarivony Manitra, izay nandray anjara tamin’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nokarakarain’ny REMAPSEN Madagasikara, androany 10 febroary 2025.
Fitsaboana maharitra
Etsy an-daniny, matetika ny olona no tsy mahatozo ny fitsaboana, satria mila mihinana fanafody foana mandritra ny 3 hatramin’ny 5 taona, na tsy mihetsika intsony aza ilay aretina, hoy ny Dr Razafimahefa Julien, mpitsabo manam-pahaizana manokana momba ny atidoha eo anivon’ny hôpitaly CHUJRA. Io fe-potoana io no ilain’ny fanafody handaminana izay tsimetimety ao anatin’ny atidoha, araka ny fanazavany. Noho izany, aretina tokony ho azo tsaboina tsara ny androbe, indrindra raha hita mialoha. Nanamafy ny Dr Rakotoarivony Manitra, fa mila maharitra amin’ny fitsaboana, satria tsy vita ao anatin’ny indray mipy maso.
Amin’ny ankapobeny dia ny fahasimban’ny sela ao amin’ny atidoha no mahatonga ny androbe, vokatry ny antony maro samihafa toy ny mikraoba, ny voavary, na ihany koa ny dona nahazo ny loha. Ny zaza sy ireo olona efa nahazo taona no tratran’ny aretina androbe, araka ny fanazavan’ny mpitsabo, ka mety ho vokatry ny fahasarotam-piterahana ihany koa izany, eo amin’ny zaza.



