• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Base Toliara
Image
Vaovao

Base Toliara : Hamorona asa mivantana 2.000 isa, ao anatin’ny 14 volana

10/02/2025 11:20 © Moov.Mg

Taorian’ny fanapahan-kevitry ny filàn-kevitry ny minisitra, ny 27 novambra 2024, nanome alalana indray ny hanokafana ny orinasa Base Toliara, dia efa miroso amin’ny fitadiavana mpiasa ny orinasa ankehitriny. Hisy ihany koa ny fanofanana homena ireo mponina eny ifotony.

Eny ifotony

Ao anatin’ny dingana fanomanana (phase preparatoire) mialohan’ny tena hisokafany, ny tetikasa Base Toliara amin’izao fotoana izao. Noho izany, ny fitadiavana mpiasa aloha no tena imasoana, ary efa misokatra ny filazana tolotr’asa momba izany, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitry ny tetikasa, ny sabotsy 8 janoary 2025 teo, tany Toliara. Vinavinaina hahatratra 2.000 ny asa mivantana hiforona, noho ity tetikasa ity, afaka 14 volana any ho any. Hisy ihany koa ny asa tsy mivantana, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha hafa ivelan’ny orinasa.

Tsy natokana ho an’ireo olona manana mari-pahaizana manokana ihany anefa ny asa eo anivon’ny tetikasa Base Tolira, araka ny fanamarihan’ireo tomponandraikitra, fa misy ihany koa ny asa manodidina ny 700 isa, ho an’ireo tsy manana diplaoma, mba ho afaka misitraka ny tombontsoa entin’ity tetikasa ity ireo mponina eny ifotony. Mifanindran-dalana amin’izany dia hisy ny fanofanana homena ireo mponina eny ifotony ireo, izay hahakasika sehatr’asa maro, toy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, asa mifandraika amin’ny tao-trano, ny herinaratra, ny fahaiza-mitrandraka harena an-kibon’ny tany…

Mangarahara

Nanamafy ireo tomponandraikitra fa ireo mponina amin’ny kaominina 5 voakasiky ny asa tanterahin’ny Base Toliara mivantana, dia i Ankilimalinike, Tsianisiha, Belalanda, Maromiandra ary Toliara I, no homena tombon-dahiny voalohany amin’ny tolotr’asa. « Hentitra ny fepetra arahina amin’ny fifantenana ny olona hisitraka ny asa sy ny fanofanana. Tsy misy vola haloa, mangarahara tanteraka ary tsy misy kolikoly. Misy komity natao hanara-maso ary azo atao koa ny mitoroka izay manao zavatra tsy ara-dalana », hoy izy ireo.

Ankoatra ny fandraisana ireo antontan-taratasy fangatahana asa vaovao, dia efa nisy ny ‘’base des données’’ tany aloha, ahitana olona 8.000 isa efa nisoratra anarana, ka hampiasaina amin’ny fifantenana ireo mpiasa sy ireo homena fiofanana izany.

Lire la suite

Articles Similaires