• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Projet Picas
Image
Vaovao

Fambolena : Mpamokatra miisa 400 tao amin’ny Faritra Androy nisitraka hana-pamokarana

10/02/2025 09:25 © Moov

Mitohy ny ezaka fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena. Mpamokatra miisa 400 tao amin’ny Kaominina Behabobo, Distrika Beloha sy Kaominina Bekitro, Distrika Bekily, Faritra Androy, no nisitraka hana-pamokarana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa PICAS 1, izany.

Masomboly mampiavaka ny faritra

Anisan’ny tanjon’ny tetikasa PICAS-1 ny hanatsarana ny fomba famokarana mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ao amin’ny Faritra Anôsy sy Androy araka ny fampanantenana napetraky ny Filohan’ny Repoblika. Maro ny asa kasain’ny tetikasa atao ary efa manomboka miroso amin’ny fanatanterahana izany ankehitriny, antony nizarana ny hana-pamokarana. Ny fizarana indrindra dia natao mba ho fampivoarana ny fambolena any an-toerana satria ny masomboly mampiavaka ny toerana no hatolotra ireo mpamokatra. Tantsaha miisa 100 tao amin’ny Kaominina Behabobo no nisitraka masomboly voanjo milanja 4 650 kg, izany hoe 31 kg isan’olona. Mpamboly miisa 150 kosa ny tao amin’ny kaominina Bekitro ary samy nahazo masomboly voanjo 31kg isan’olona izy ireo.
Ankoatra izay dia nisy mpamboly hafa miisa 150 ihany koa nisitraka masomboly vary. Fanampin’izany ny zezika biolojika 7 500 kg, izay 50 kg isan’olona sy fanafody entina miaro ny voly amin’ny bibikely sy aretina, 150 litatra, ka samy nahazo 1 litatra isan’olona ireo mpamokatra.

Fitaovana entina miasa

Natao ity fizarana hana-pamokarana ity mba hahafahan’ireo mpamokatra ireo manomana sy miatrika ny taom-pambolena. Ankoatra ireo masomboly dia nahazo fitaovana samihafa ihany koa izy ireo. Tao ireo angady miisa 500 ho an’ireo mpamboly voanjo miisa 250 ireo. Teo ihany koa ny fanolorana « sarcleuse » miisa 150 ho an’ireo mpamboly vary 150 ao anatin’ny kaominina Bekitro. Aorian’ity fizarana ity anefa dia hisy ihany koa ny fampiofanana sy fanaraha-maso ireo tantsaha amin’ny fomba fambolena mahomby kokoa. Tanjon’izany ny fanatrarana ny vina « Madagasikara miroso amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ».

Lire la suite

Articles Similaires