Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 3 hatramin'ny 9 febroary 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 3 hatramin'ny alahady 9 febroary
Vidin-tsolika # Nisy fanovana indray
Efa tamin'ny fiadohan'ity taona 2025 ity no nampahafantatra ny Ministeran'ny Angovo fa mila mizatra amin'ny fiovaovan'ny vidin-tsolika amin'izay ny eto Madagasikara. Raha vao ny 18 janoary no nisy fanovana voalohany, nisy fanovana sady izany ny 5 febroary lasa teo. Nisy fidinany ny "Essence sans-plomb", ka lasa 5 500 ariary ny litatra raha 5 700 ariary/l teo aloha. Nisy fiakarana kosa ny Gasoil (4 890 ariary ny litatra raha 4 760 ariary teo aloha) sy ny solika fandrehitra (2 630 ariary ny litatra raha 2 430 ariary teo aloha). Araka izany, tsy hisy indray ny fampidinana ny saran-dalana nokasain'ireo mpitatitra rezionaly sy nasionaly.
Tsipikanetibe # Efa any Frantsa ny ekipa Malagasy
Nanainga ny 6 febroary lasa teo ny ekipa Malagasy amin'ny taranja tsipibanetibe, hiatrika ny Grand Finale PPF Tour 2025.
Ao Aix-en-Provence Frantsa no hanatanterahana izany ny 15 sy 16 Febroary 2025 izao. Ny ekipa tarihin'i Jean-Michel Andrianjaka eo amin'ny sokajy Triplette, dia ahitana an'i Christian Andriantseheno "Racle", Christian Andrianirina "Nanou". Ny "tir de précision" kosa ahitana an'i Jean-François Rakotondrainibe "Zigle" sy Rakotoniaina Tinakely, ekipa tarihin'i Faralahy Ramanatiaray. Manantena hahazo vokatra tsara izy ireo amin'izao fandraisana anjara amin'ny sehatra iraisampirenena izao.
ORTM # Fanolorana mari-boninahi-pirenena
Amin'izao fiandohan'ny taona izao dia misy ny fankasitrahana manokana ireo mpiasa nahavita be teo anivon'ny ORTM.
Mpiasa miisa 22 àry no notolorana mari-boninahi-pirenena, ka 10 amin'ireo nahazo Chevalier de l'ordre National, 2 notolorana Officier de l'ordre National ary iray no nahazo ny Commandeur de l'ordre National. Natrehan'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina moa ny lanonana ofisialy. Nisy ny antso natao tamin'ireo mpiasa ka ireo nahafeno fepetra sady nanolotra ny antontan-taratasy mifanandrify amin'izany no nahazo mari-boninahitra.
FIP # Fandraisana Polisy vaovao
Tontosa ny Talata 4 Febroary teny amin'ny Toby RAZAFINDRAZAKA Berthin teny Antanimora ny lanonana fandraisana ireo Polisimpirenena vaovao hanatevin-daharana ny Hery Vonjitaitran'ny Polisimpirenena rehefa nahavita fiofanana manokana izy ireo. Nanamafy tamin'ireto andiany ireto ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka izy fa mitaky andraikitra lehibe izao fanamarihana hita maso izao, anatin'ny iraka ampanaovina ny Polisimpirenena dia ny fiarovana ny Andrim-panjakana mijoro sy ny vahoaka ao aminy. Nitsodrano sy nitondra teny fankaherezana ireto Polisimpirenena vaovao ireto ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka.
MFFT # Fanitsiana ny vaovao miely amin'ny tambazotran-tserasera Facebook
Ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT) dia mandà marindrano ireo vaovao aparitaka amin’ny tambajotra sosialy milaza fa ny nosy maromaro manodidina an’i Nosy Be dia namidy tamin’ireo mpampiasa vola vahiny Émiratis.
Hatreto dia tsy misy fangatahana voaray na fifanarahana nosoniavin’ny Fanjakana Malagasy ho an’ny Emiratis. Ary izany rehetra izany dia voafehin’ ny didy aman-dalàna mahakasika ny fananantany sy ny fampiasana azy eo ambanin’ny fanaraha-maso ny Fanjakana Malagasy. Ny MFTT dia miantso ny vahoaka hitandrina amin’ny vaovao tsy marina sy ireo fanakorontanana isan-karazany izay miparitaka eny amin’ny tambajotra serasera ary hanamarina ireo loharanom-baovao ofisialy hialana amin’ny fandisoana sy fanodikodinana ny hevi-bahoaka .
Tafika an-tanety # Nanome rà tany Toamasina
Tonga nanome rà ny banky fitahirizan-dra tao amin'ny hopitaly Be Toamasina ireo miaramila miisa 70 mirahaly avy ao amin'ny "Bataillon d'Infanterie" Toamasina ny 04 febroary lasa teo. Izany no natao dia ho fanomezan-danja ilay teny filamatra manao hoe " Izay manome rà, manome aina". Ankoatran'ny fiarovana ny vahoaka izay sehatra lehibe iasan'ny Tafika Malagasy, dia mandray anjara mavitrika amin'ny lafiny sosialy sy ara-pahasalamana ihany koa izy ireo mba hanehoana fa ny Tafika Malagasy dia mpiaro sy mpanampy ny vahoaka.
Taorian'ny fanomezan-drà dia nanome tolo-tanana ihany koa ireto miaramila ireto ka nanao asa fanadiovana manodidina ny trano fitahirizan-dra nohon'ny maha-sarobidy ny fahasalamana.
Antenimierandoholona # Notendrena ho Loholona i Lalatiana Rakotondrazafy
Ny 6 febroary lasa teo no nivoaka ny didim-panjakana laharana faha 2025-141 nanendren'ny Filoham-pirenena an'i Lalatiana Rakotondrazafy ho loholon'i Madagasikara. Ny tenany araka izany no mameno ho 18 ny isan'ireo Loholon'i Madagasikara rehefa banga nandritra ny volana maro ny toerana iray , noho ny nanendrena an'Itpkl Richard Ramanambitana ho PDS-n'Antananarivo. Notontosaina ny zoma 7 febroary ny lanonana ofisialy fametrahana ny samboady.
Ny Loholon'i Madagasikara hoy Andriamatoa Filohan'ny Antenimierandoholona dia mijoro ho Ray aman-dReny, olo-kendry, olom-banona na ara-pitondran-tena na ara-pihetsika. Ny fitandroana ny fihavanana sy ny fandalana ny fifankatiavana no zava-dehibe eto anivon'ny Antenimierandoholona, hoy ihany izy, ary izay hampandroso an'i Madagasikara no katsahan'ireo Loholon'i Madagasikara fa tsy hitady tombotsoa manokana akory.
Ankadinondry Sakay # Nandrotsahana zana-trondro ireo farihy lehibe
Miisa 8 ny Farihy ao Akadinondry Sakay, ka ny 6 amin'ireo no nandrotsahana zana-trondro miisa 10 000. Nisy ny fanomezana ireo zana-trondro ireo tamin'ny fikambanan'ny mpanjono ao an-toerana izay Ahitana renin-trondro miisa 5 Ary trondro lahy miisa 4.
Nandritra izany dia nisy fanazavana tsotsotra nataon'ny Minisitry ny Jono amin'ireo teknika rehetra Rehefa mandrotsaka zana-trondro. Nanotrona Ary Niaraka nandrotsaka ny zana-trondro hatrany ny solombavam-bahoaka voafidy tao an-toerana,ny Governoran'ny Faritra, sy ireo manam-pahefana eny ifotony.
Manakara # Fanantonana ireo mpanjono Oratsimba
Nitohy tao Loharano, Kaominina Ambanivohitra Ambilao, ny fidinana ifotony narahana fanentanana nataon'ny ekipan'ny DRPEB Fitovinagny, ny faha 04 Febroary lasa teo. Izany no natao dia mba ho fanamafisana ny ezaka fandresena lahatra ny mpanjono hitsinjo hatrany ny hampaharitra ny Jono Oratsimba (Langouste). Nisy ny fampatsiahivana ny didy aman-dalana mamaritra fa mbola mikatona ny Jono Oratsimba amin'izao fotoana izao.
Amin'izao vanim-potona fahavaratra izao ihany koa dia nentanina ny mpanjono hanaraka tsy tapaka ny vaovao mahakasika ny toetrandro amin'ny alalan'ny fihainoana ireo onjam-peo (Radio) fa indrindra hampiasa ireo takelaka (panneaux) SAP izay nozaraina.
Vakinankaratra # Lanonana fanolorana ireo ambioka vary safiotra
Notanterahana ny faha 06 Febroary lasa teo, tao Antsirabe, ny lanonana fanolorana tamin'ny fomba ofisialy ireo ambioka vary safiotra avy amin'ny fitondram-panjakana. Tanjona ny fampiakarana ny voka-bary no ka nisy ny fanehoana ny fampiasana ny ambioka. Nitsidika ny ZEP eo anivon'ny ENSOA ireo delegasiona izay tolagaga sy samy nankafy ny hakanton'ilay toerana. Tafita ny hafatra satria dia maro tamin'ny vahoaka nanatrika ihany koa no resy lahatra ny haka tahaka izany. Marihana fa mbola maro ny tetikasa ho fanatsarana hatrany ity "station vitrine" ity mba hisitrahan'ny vahoaka Malagasy màro sivily na miaramila.
Bongolava # Fiompiana trondro ao Andoharano
Anisan'ny manana toe-tany mafana ny eto Andoharano, fokontany Ampizarantany, izay mety tsara amin'ny fiompiana trondro . Ahitana Dobo trondro eo amin'ny 1ha eo ao an-toerana izay tohanan'ny fonds de développement Agricole amin'ny ara-teknika rehetra. Marihina fa tanimbary no navadika ho Dobo trondro ity izay efa nanaovana ny fanandramana rehetra ka ny farihy iray dia nahafahana namokatra trondro 400kg. Hita Sy tsapa ihany koa fa afaka mamaly ny filan'ireo mponina rehetra ao an-toerana ireo vokatra.
Nisitraka Milina na extrudeuse fanamboarana sakafon-trondro ihany koa izy ireo, ary efa betsaka koa ireo mitady ny vokatra avy ao aminy. Manana tombony arak'izany izy ireo fa tsy mividy sakafon-trondro intsony fa manodina ho azy ireo amin'ny alalan'ireo zava-maniry tsy misy menaka( Sonjo,katsaka,voamaina,Manga,apemba..) , eo ko ireo zava-maniry Misy menaka ( voanjo, soja, tournesol...) Ary avy amin'ny biby (akoran'atody potehina, potikena, lalitra BSF ...)



