Fahatrarana mpanjono antsokosoko : Mbola tavela any Seychelles ireo Malagasy tratra tao amin’ny fari-dranomasiny
Nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Analalava Soafilira Princia sy ny Zandarmaria, ny APMF, ny CRFIM ny avy ao am Tafika andranomasina, ny fiarahamonim-pirenena, androany ny Minisitra ny jono sy ny toe-karena manga. Tanjon’izany ny hahafahana mampody ireo mpanjono antsokosoko tratra tao amin’ny fari-dranomasin’i Seychelles ny 30 janoary lasa teo.
Mpanjono miisa 12
Raha tsiahivina dia efa ny 17 janoary 2025 no nisy nanofa, mba hanjonoana ny sambo iray MJ-F22.012 mitondra ny anarana "Metro du Nord" avy ao Ambaliha Analalava. Ity sambo ity izay tsy manana fahazoan-dalana handeha eny amin'ny ranomasina akory. Taorian'izay anefa dia tsy hita intsony ilay sambo ary efa nisy ny fampandrenesana nataon'ny tompony tamin'ireo manam-pahefana tany an-toerana amin'ny ny fahaverezan'izany Sambo izany. Rehefa izany, ny faran’ny volana janoary teo (30 janoary) no nampahafantatra ny manampahefana tao amin'ny Nosy Seychelles fa misy Sambo malagasy tratra nanjono dingadingana (concombre de mer) tsy ara-dalana ao amin'ny fari-dranomasiny. Mpanjono Malagasy miisa 12 avy ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Maromandia sy Ambolobozo, Distrikan'Analalava ireo tratra nanao fandikan-dalana ireo. Etsy ankilany dia mbola ilay sambo very no nampiasan'izy ireo tamin'izany. Raha ny fanazavana dia tsy niainga tao amin'ny seran-tsambon'Analalava ity Sambo ity ary ao anatin'ny tsy fanarahan-dalana tanteraka no itrangan'izao zavatra izao. Manoloana izany anefa dia mitady ny hevitra hahafahana mampody ireo mpanjono ireo ny Fitondram-panjakana.
Voararan’ny lalàna ny manjono dingadingana
Isan’ny zava-manan’aina arovana eto Madagasikara sy ao anatin’ny Ranomasimbe Indianina ny dingadingana amin’izao fotoana izao. Raha ny fanazavan’ny Minisitry ny jono dia tsy azo atao ny manjono azy io, indrindra ao amin'ny tapany Avaratry ny Nosy dia ny ao Boeny, Sofia, Diana,ary Sava noho izy ireo efa lany taranaka. Antony hisamborana ireto mpanjono ireto izany. Manampy izany ny antony ny tsy hahafahan’ny Malagasy manjono mihoatra ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Etsy ankilany moa dia efa mandeha ny fanadihadihana lalina izay atao. Efa manao ny fomba rehetra hampodiana ireo Malagasy eto Madagasikara ihany koa ny Fitondram-panjakana sy ry zareo any Seychelles.