• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiarovana ny harena voajanahary : Teratany sinoa roa nikasa hanondrana sokatra antsokosoko nidoboka eny Tsiafahy

05/02/2025 12:33 © Moov

Mitohy ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ireo harena voajanahary eto Madagasikara. Teratany sinoa roa indray no nadoboka eny Tsiafahy, ny alahady teo, noho ny fikasana hanondrana sokatra. Miandry ny fotoam-pitsarana azy izy ireo amin’izao fotoana izao.

Sokatra hatahorana ho lany tamingana miisa 17

Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafahana nahatratra ireto teratany vahiny ireto teny Talatamaty. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy dia efa nangonin’izy ireo tao an-tranony ireto sokatra ireto mialohan’ny hanondranana azy any ivelany. Tamin’ny alalan’ny velapandrika natao no nahatrarana ireto sokatra ireto tao amin’izy ireo. Karazana sokatra roa, efa samy hatahorana ho lany tamingana no tratra tamin’izany. Tao anatin’izany ny « Astrochelys yniphora » na angonoka miisa 5 sy « astrochelys radiata » na sokake miisa 12 no tratra nandritra izany. Marihina fa voasokajy ao anatin’ny Tovana I ao amin’ny CITES ary raran’ny lalàna eto Madagasikara avokoa ny fitrandrahana ireto biby arovana ireto, indrindra ny Angonoka izay tena efa vitsy dia vitsy tokoa.
Ankoatra izay moa dia nahatrarana “Jabihy” na “baobabs nains” izay zavamaniry arovana ihany koa tao amin’izy ireo, raha ny fampitam-baovao, hatrany.

Mpamerin-keloka

Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa efa mpanao ity asa ratsy ity izy roa lahy ireto. Raha ny fanazavana dia efa mpamerin-keloka ny iray amin’izy ireo, izay efa nifonja teto Madagasikara. Mbola raharaha fanondranana antsokosoko sokatra ihany koa no niampangana azy tamin’izany. Tsara ny manamarika fa efa laharam-pahamehana ho an’ny firenena ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary ary tsy maintsy hampiharina ny lalàna amin’ireo izay mbola minia manao izany. Nanamafy ihany koa ny Ministera fa azon’ny rehetra antsoina ny laharana maitso 955 rehefa mahita tranga mampiahiahy. Izany no atao mba hahafahana mandray fepetra haingana.

Lire la suite

Articles Similaires