Fampiofanana : Vehivavy voafonja miisa 30 miofana amin’ny sehatry ny zaitra ho an’ny andiany fahefatra
Miditra amin’ny andiany fahefatra ny fampiofanana momba ny zaitra ireo vehivavy voafonja. Miisa 30 izy ireo no niditra nianatra omaly tao amin’ny Fonjaben’Antanimora. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy teny an-toerana, ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, notronin’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa Rasoloarisoa Marie Marcelline.
Fandaharan’asa Fanarenana
Ireto vehivavy miisa 30 mpahazo tombontsoa amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa Fanarenana sy ny Tetik’asa Mikolo Aina ireto dia hanampy ireo vehivavy miisa 120 efa nahavita ny fiofanana. Tanjona ny hanomezana traikefa sy fahaiza-manao ho azy ireo amin'ny sehatry ny asa. Hitondra fanovana lehibe amin’ny fiainany sy ny hoaviny izany ary hahafahany miomana sahady rehefa tafavoaka io toerana io. Ity fandaharan’asa ity raha tsiahivina dia hiarahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Ny Ministeran'ny Fitsarana, dia manome lanja ny maha-olona, ka mikendry ny hanamorana ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiaraha-monina aorian'ny fahavitan'ny saziny. Etsy an-kilany, ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak'asa dia manome fiofanana manakaiky vahoaka, mba hanamafisana fahaizana sy hanampiana azy ireo ho vonona amin’ny andraikitra ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Fiaraha-mientana nasionaly
Matetika ireto voafonja ireto no misedra olana rehefa miverina eny anivon’ny fiaraha-monina. Hialana amin’izany indrindra no anton’ny fampiofanana ary dia miara-miasa ao anatin’izany avokoa ireo fikambanana samihafa. Ankoatra ny Minisitera ohatra dia manana anjara amin’ity asa ity ihany koa ny ONG Douleurs Sans Frontières, izay ahitana ny "Ekar-Ces", "Ordre de Malte # Pavillon Sainte Fleur", "Grandir Dignement" ary ny "Jardins du Monde". Izany rehetra izany dia miaraka amin’ny fanohanan’ny Agence Française de Développement (AFD). Ity farany ity izay hanafaingana ny fanantanterahana ny tetik’asa.