• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faritra Vakinankaratra
Image
Vaovao

Fotodrafitrasan’ny lalana : Hirosoana amin’izay ny tena asa fanarenana ny lalam-pirenena fahafito

03/02/2025 15:07 © Moov

Taorian’ny efa-bolana nanomanana ny asa dia nilaza ny Minisitry ny asa vaventy, ny faran’ny herinandro teo, fa hiroso amin’ny tena fanatanterahana ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahafito amin’izay.

Efa vonona ny fitaovana sy ny akora

Ampahan-dalana mirefy eo ho eo amin’ny 105 km eo no harenina amin’ity asa ity. Izany hoe ampahan-dalana ao amin’ny RN7 ary ny mampitohy an’Antananarivo amin’i Antsirabe aloha no hanombohana azy. Digana maromaro no nolalovina nahafahana miroso amin’ny fanombohana ny asa. Asa telo lehibe no tsy maintsy notanterahana, isan’izany ny fananganana ilay atao hoe « base vie de chantier » sy ny fitsirihina ny akora fototra rehetra ilaina, ary indrindra ny fananganana ny toerana fanodinana ireo akora ireo « Concasseur ». Ity farany ity izay isan’ny fepetra notakian’ny mpamatsy vola dia ny banky iraisam-pirenena, hoy ny Minisitra, Rafidison Richard Théodore. « Ireo vato ireo ihany no ilaina hanamboarana ny lalana. Anjatony taonina isan’andro ny vokatra ao amin’io toerana io », hoy hatrany ny minisitra. Nomarihina fa efa telo volana izay no niasa io « concasseur » io ary efa manomboka azo ampiasaina ireo akora.

Antananarivo – Antsirabe

Asa fikojakojana maharitra no ho tanterahina. Mizara ho andiany roa ny asa ka manomboka ao Antananarivo hatreo Ambatolampy ny dingana voalohany izay mirefy 60.5 kilometatra. Ampitatafika-Antsirabe kosa ny dingana faharoa izay mirefy 44 kilometra, ary haharitra 18 volana ny asa. Ireo lalana ahitana ilay atao hoe teboka mainty na « Point noir » no ho tanterahina voalohany mba ahafahana ny rehetra mampiasa tsy tapaka ny lalana. « Vinavinaina ho azo ampiasaina tsara amin’ny fotoan’ny fialan-tsasatra ity lalana ity », hoy ny fanazavana. Fanombohana ihany ity tapany voalohany amin’ny RN7 ity fa hitohy tonga any Ambositra sy Fianarantsoa ny fanarenana.
Etsy ankilany, ankoatra io fitsidihina io, dia nijery ireo asa fanamboarana eo amin’ny renivohitra ny Faritra Vakinankaratra ihany koa ny Minisitra. Isan’izany ny lalana Zaodahy – Antsinanantsena sy ny lalana mampitohy an’Mahazina # Ambohimena. Efa mandeha ireo asa ireo ankehitriny ary efa mahatratra hatramin’ny 70% ny fahavitan’ny asa.

Lire la suite

Articles Similaires