• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo Madagasikara
Image
Vaovao

Toetr’andro : Nahazo anarana hoe Faida ny maraina teo ilay andro ratsy ao Atsinanan’i Toamasina

03/02/2025 12:18 © Moov

Nomen’ny Foibe mpamantatra ny toetr’andro eto Madagasikara anarana ny maraina teo ilay andro ratsy ao atsinanan’i Toamasina. Antsoina hoe Faida ity andro ratsy fahafito ity rehefa nitombo hery, ny maraina tamin’ny 8 ora teo.

Mikisaka miakandrefana

Tamin’ny 09 ora maraina teo dia any amin’ny manodidina ny 280 Km atsinanan’i Toamasina no nisy ny foibeny. 65 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 90 Km/ora manakaiky ny foibeny. Mikisaka miakandrefana izy ka mahafaka 18 Km/ora. Marihina fa efa manorana any amin’ny faritanin’i Toamasina amin’izao fotoana izao. Efa mipaka amin’ny morotsiraky ny faritra afovoany atsinanana ny rahona miaraka amin’i FAIDA, hoy ny Météo Madagasikara. Hitondra rotsakorana betsaka, izany hoe mety hihoatra ny 100mm ao anatin’ny 24 ora izy amin’ny faritra rehetra izay ho lalovany. Manoloana izany dia efa nandray fepetra amin’ny fanakatonana ny sekoly ny tompon’andraikitra. Etsy ankilany dia heverina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Sainte Marie sy Brickaville rahampitso manomboka amin’ny misasakalina ity rivodoza ity. Mety hahatratra 110 Km/ora ny tafiotra miaraka aminy amin’izay fotoana izay, raha ny vinavina.

Efa miomana ny faritra maro

Mifanaraka amin’izany fanambarana izany dia niova ny filazana loza mba ho fiomanana mialoha. Filazana loza manambana miloko mavo ho an’ny faritra Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Antalaha, Mandritsara ary Befandriana Avaratra. Araka izany efa entanina sahady ireo toerana ireo hiomana amin’ny sakafo sy ny fanamafisana ny trano fonenana.
Etsy ankilany dia efa nomanina sahady ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Antalaha sy Mananjary mba tsy hiandriaka intsony satria mikorontana ny toetry ny andro.

Lire la suite

Articles Similaires