Antananarivo : Mpanao sinto-mahery miisa 10 tratran’ny Polisim-pirenena tamin’ny toerana maro
Tsy mijanona ny fisehoana sinto-mahery hataon’ireo jiolahy manerana an’Antananarivo. Maro ireo mitaraina, indrindra ao amin’ny tambazotran-tserasera facebook. Manoloana izany nahatratra mpanao sinto-mahery miisa 10 ny polisim-pirenena ny faran’ny herinandro teo.
Manerana ny Kaominina Antananarivo
Na aiza na aiza aleha eto Antananarivo dia saika misy hatrany ny olona mampitandrina ny mpampiasa lalana rehetra mba ho mailo amin’ny mpanao sinto-mahery. Raha ny nitranga ny zoma 31 janoary hatramin’ny alahady 2 febroary teo dia saika miparitaka manerana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mihitsy izy ireny. Amin’ny alina no tena ahitana azy ireo na dia misy ihany aza amin’ny andro mazava. Miisa 10 izy ireo no tratran’ny Polisim-pirenena nandritra ny fisafoana amin'ny alina sy hetsika manokana nanaovana fanamiana sivily. Isan'izany ireo efa-dahy tetsy isotry voasambotry ny Polisin'ny CSP 4, teo ihany koa ireo telolahy izay efa naharaisan'ny tao amin'ny komisaria Ambohijatovo fitarainana noho ny resaka fanendahana ka nanaovana vela-pandrika. Ankilany, lehilahy miisa efatra ihany koa no nosamboriny Polisin'ny UIR manao fanamiana sivily teny amin'ny fasan'ny karana rehefa tratra ambodiomby teo am-panendahana ireo olona mivoaka taxi be. Matetika mampitaraina ny mponina ireny mpanao sinto-mahery ireny, izay hiantsoan’izy ireo ny tompon’andraikitra mba hanamafy ny hetsika fiarovana ny mponina.
Halatra moto
Etsy ankilan’izany anefa dia isan’ny mampitaraina ny mponin’Antananarivo ihany koa ny halatra moto izay mateti-pitranga. Niaraka tamin’ireo olona miisa 10 ireo dia olona iray ihany koa no tratra tamin’ny raharaha halatra moto. Nosamborin'ny Polisy miasa ao amin'ny Komisaria boriboritany faharoa Ambohijatovo, teny Miandrarivo, io lehilahy iray io rehefa nahazoana taratasy fisamborana avy amin'ny tribonaly noho ny resaka halatra moto. Tsara ny manamarika fa saika manano sarotra hatrany ny fikarohana mpangalatra moto noho ny fampiasana taratasy hosoka sy ny fiparitahan’ny olona mpandray anjara rehefa sendra tratra izy ireo. Araka izany, manana adidy amin’ny fitorohana ireny mpanao ratsy ireny ny rehetra rehefa mahatsikaritra sy mahafantatra ny momba azy ireo.