ONG Barefoot College Madagascar : Mandray anjara mivantana amin’ny fampisitrahana herinaratra ny tontolo ambany vohitra
Hatramin’ny taona 2017 ny fikambanana Barefoot College Madagascar (BCM) no niasa teto. Tanjon’izy ireo, amin’ny alalan’ny fandaharan’asa Barefoot College ny hampitombo ny fisitrahan’ny tontolo ambany vohitra herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Tarihin’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo izany asa izany ; miaraka amin’ny WWF, ny Madagascar National Parks ary ny SAF FJKM.
Vina hampisitraka herinaratra tokantrano 63 000
Raha ny antontan’isa farany dia mbola mihoatra ny 8.7 tapitrisa ny malagasy mipetraka eny amin’ny tontolo ambany vohitra no tsy misitraka herinaratra, izany hoe 15% ihany no mahazo herinaratra. Tanjon’ny fitondram-panjakana anefa ny hampiakatra izany hatramin’ny 70% hatramin’ny taona 2030. Mandray anjara mavitrika amin’izany asa izany ny BCM izay manana vina ny hampisitraka herinaratra, tokantrano malagasy hatramin’ny 63 000 ao anatin’ity fandaharan’asa ity. Tsara ny manamarika fa angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro izany haparitaka manerana ny Nosy izany. Izy ity izay hanampy ny mponina amin’ny lafiny fandriam-pahalemana, indrindra eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, toy ny fampitomboana ny fidiram-bola. Tanjon’ity fikambanana ity indrindra ny fampandrosoana eny ifotony amin’ny fomba rehetra.
Fampiofanana vehivavy injeniera amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro
Ho fanatanterahana izany vina sy tanjona izany dia mampiofana vehivavy maro izy ireo mba ho lasa matihanina amin’ity angovo azo avy amin’ny masoandro ity. Antsoina hoe vehivavy injeniera izy ireo. Tanjon’ny fandaharan’asa ny hampiofana vehivavy hatramin’ny 744 isa, hatramin’ny fiafaran’ny asa. Nanomboka tamin’ny taona 2019 ny BCM no nampiofana azy ireo tao amin’ny toeram-panofanana ao Tsiafajavona. Hampianarina azy ireo ny fomba fampidiran-jiro eny ambany vohitra, sy fitantanana ireo jiro ireo. Ankoatra izay dia hampianarana hizaka tena ihany koa ireo vehivavy ireo. Hampiofanina hanana asa mampidi-bola ihany koa mantsy izy ireo. Isan’izany ny fomba fahandroana sakafo sy ny fikarakarana volo. Misy ihany koa ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ho an’ireo izay tsy mahay izany.