• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Rambon-danitra mahery tany Ambovombe Androy : Lakana 118 no tavela any an-dranomasina

31/01/2025 11:33 © Moov.Mg

Mpanjono an-jatony nandeha niandriaka no tavela any an-dranomasina, vokatry ny fisehoan’ny rambon-danitra mahery tany amin'ny Faritra Ambovombe Androy, ny talata 28 janoary lasa teo. Araka ny fampitam-baovao dia lakana 36 isa no tafakatra an-tanety, hatramin’ny omaly.

Andro ratsy

Mpiandriaka maherin'ny 270 no tavela any an-driaka, ao Kotoala, Kaominina Ambazoa, Faritra Ambovombe Androy, araka ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Nidina any an-toerana nijery ny toe-java-misy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, omaly, amin’ny maha-mpiahy ireo mpanjono sy ny Faritra Androy azy. « Lakana 118 no mbola karohina, raha toa ka maherin’ny 36 no efa tody. Betsaka ireo lakana avy any Ambazoa no tonga hatrany Analapatsy sy Andranogoa, noho ny haratsin’ny andro », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny minisitra, androany 31 janoary 2024, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina.

Araka ny fantara hatrany dia nanondro mena ny lokon’ireo tabilao famantarana ny toetr’andro rehetra, saingy nandeha niandriaka ihany ireo mpanjono, noho ny hanoanana, raha ny filazan’izy ireo.

Mifanome tanana

Nanamafy, noho izany ny minisitra Mahatante Tsimanaoraty Paubert, fa tsy azo sangiana ny andro ratsy, indrindra ho an'ireo mpiandriaka, ary tsy napetrapetraka foana akory ireny takelaka famantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro ireny, fa mila hajaina tsara. Mananosarotra rahateo ny famonjena aina, rehefa misy ny rivo-doza tahaka izao. Noho ny haavon’ny onjan-dranomasina mantsy, dia tsy afaka ireo « vedettes rapides » fampiasa. Niditra an-tsehatra, noho izany ny orinasa QMM, ka nandefa sambo hanampiana amin’ny fampiakarana ireo mpanjono. Ankoatra ity orinasa ity dia mifanome tanana amin’ny famonjena ireo mpanjono ny Ivon-toerana fanaraha-maso ny jono (CSP), ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF), ny Faritra Androy sy Anosy, ny Marine Nationale ary ny ekipan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Lire la suite

Articles Similaires