Tetikasa BRECOMA : Miady amin’ny tsifanjariantsakafon’ireo tantsaha
Hifarana amin’ny volana febroary 2025 ho avy io ny tetikasa BRECOMA, izay manana tanjona ny hanohana ireo tantsaha eo amin’ny sehatry ny fanjariantsakafo. Isan’ny nahazo tombony tamin’ity tetikasa ity ireo tantsaha ao amin’ny Faritra Vakinankaratra, izay nahazo fiofanana momba ny voly avotra.
Sakafo maroloko
Isan’ny antony mahatonga ny tsifanjariantsakafo eto amin’ny Faritra Analamanga, any Vakinankaratra sy any Itasy, ny tsy fahaizana sy tsy fahazarana manovaova ny sakafo hanina. Ny legioma sy ny voankazo no isan’ny tsy ampy amin’ny sakafo fihinan’ireo tantsaha amin’ny andavanandro, satria saika aondrana any amin’ny Faritra hafa avokoa ireo izay vokarin’izy ireo.
Tanjon’ny tetikasa BRECOMA (Building Resilience to Enhance Food, Incomes and Nutrition Security in the Comoros and Madagascar), izay natomboka tamin’ny taona 2022, ny hanohana ireo tantsaha ara-teknika sy ara-pitaovana, mba hahaizan’izy ireo misakafo maroloko. Tafiditra ao anatin’izany ny fandrisihana azy ireo hampihatra teknikam-pambolena manaja ny tontolo iainana, sy ny fampidirana karazana legioma na voly avotra hafa vaovao tsy mbola mahazatra, nefa afaka manampy azy ireo hiady amin’ny tsifanjariantsakafo.
Voly avotra vaovao
Araka izany, nahazo fiofanana tamin’ny AfricaRice sy ny International Institute of Tropical Agriculture (IITA), izay mpanatanteraka ity tetikasa BRECOMA ity, ireo tantsaha ao Vakinankaratra. Nampianarina azy ireo ny teknika fambolena vary mena, fa eo ihany koa ny fambolena voly avotra isan-karazany. Noho izany fiofanana azony izany dia manana voly azo atao sakafo, entina mody avy any an-tsaha foana, ireo tantsaha, araka ny fijoroana vavolombelon’izy ireo. Misy ihany koa ny karazan-tsakafo vaovao fantatr’izy ireo sy efa tafiditra tsikelikely ao anatin’ny fahazaram-piainana andavanandro. Isan’izany ny « graine de chia », izay manampy manome tanjaka, ho an’ireo mpiasa eny an-tsaha. Nizarana boky kely, manoro fomba fahandro sakafo isan-karazany ihany koa ireo taantsaha.
Tokantrano miisa 12.000 moa no mpisitraka ny tetikasa BRECOMA, ka 8.500 eto Madagasikara ary ny 3 600 any Kaomoro. Ny Vondrona Eoropeanina no mamatsy vola ny tetikasa.