Fihaonam-ben’ny tanora eto Afrika : Miisa hatramin’ny 25 000 ny tanora handrasana amin’ny hetsika Youth Connect Africa
Notanterahina androany, 30 janoary ny fivoriana voalohany indrindra entina hanomanana sahady ny hetsika Youth Connect Africa. Hatao eto Madagasikara amin’ny 26 hatramin’ny 30 novambra 2025 ity hetsika lehibe ity. Tanora Afrikanina miisa hatramin’ny 25 000 no andrasana amin’izany.
Firenena afrikanina 32
Youth Connect Africa, fotoana lehibe iray eto Afrika hanandratana ny tanora sy hanatsarana ny hoavin’izy ireo. Fotoana hifampizaran’ireo tanora ireo traikefa amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fahaiza-mitarika izy io. Ireo tanora hatramin’ny 25 000 handrasana ireo araka izany no heverina hanova ny tantara ho an’ny tanora Afrikanina. Marihina fa hanana solotena avokoa ao anatin’izany ireo firenena miisa 32 mpikambana ao amin’ity vovonana ity. Ahitana an’i Botswana, Gabon, Zambie, Comores, Liberia, Ghana, Guinée, Togo, Ethiopie, Niger, Nigeria, Tchad, Sénégal, Uganda, Zimbabwe, Rwanda, RDC, Mali, Sierra Leone, Congo Brazzaville, Centrafrique, Kenya, Gambie, Cape Verte, Cameroun, Madagascar, Burkina Faso, Mauritanie, Malawi, Namibia, Sao Tome – Principe ary i Guinée Bissau. Raha ny vaovao avy ao amin’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena dia tanora avokoa ny 99% an’ireo mpandray anjara ireo.
Hanentanana tanora malagasy maro
Isan’ny anton’ny fivoriana voalohany indrindra androany ny fametrahana ny komity hikarakara ity hetsika lehibe ity. Mila fanomanana mafy mantsy izany handray tanora 25 000 isa izany. Etsy ankilany dia handrasana ihany koa ny fandraisana anjaran’ny tanora malagasy maro an’isa. Hitety an’i Madagasikara araka izany ny minisitera miaraka amin’io komity izay hatsangana io. Hiantso ireo tanora sy mpandraharaha rehetra hanao fiofanana ary hanentana mba hahafahan’izy ireo ho lasa masoivohon’ity fihaonambe ity no anton’izany. Nanamarika ny minisitra fa ankoatra ireo tombony maro ho azon’ny tanora dia heverina hitondra vokatsoa amin’ny lafiny toekarena malagasy ihany koa izy io. Ao anatin’izany ny sehatry ny fizahan-tany sy ny fandraharahana amin’ny ankapobeny. Izany koa no anton’ny fivoriana mba hahafahana mandray tsara ny hetsika. Raha ny fanazavana dia manodidina ny 2 tapitrisa dolara ny tetibola ilaina amin’ny fandraisana io hetsika io araka ny voafaritry ny foiben’ny Youth connect Africa any Kigali.