Fanarenana ny ala marefo ao Isalo : Zanakazo maherin’ny 92 000 isa no hovolena
Asiam-panarenana ny ala marefo manodidina ny valanjavaboaharin’Isalo, izay tantanan’ny Madagascar National Parks. Mpiara-miombon’antoka amin’ny Tetikasa Fanarenana Ala tanterahina any an-toerana ny Programme de Lutte Anti Erosive (PLAE6).
Famerenana sy fiarovana ny ala
Miditra amin'ny taona faharoa, amin’ity taona 2025 ity, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Madagascar National Parks sy ny PLAE6, ao anatin’ny Tetikasa Fanarenana Ala (Restauration des Paysages Forestiers), manana tanjona ny hamerenana sy hiarovana ny ala marefo manodidina ny valanjavaboaharin’Isalo, ao amin’ny kaominina Ranohira, Faritra Ihorombe. Velaran-tany mirefy 163 ha no narenina tamin’ny taona 2024, taona voalohany nanatanterahana ny tetikasa, fa ampitomboana ho 197 ha kosa izany amin'ity taona ity. Zanakazo zana-tany maherin’ny 92 000 no vokatra ka hambolena amin’izao fotoana mahabetsaka ny rotsak’orana izao. Amin’ny ankapobeny dia hazo zana-tany hatrany no novolena, fa manomboka miditra amin’ny famokarana volobe (bambou) ihany koa ny mponina ao amin’ny Kaominina Ranohira, ao anatin'ity tetik’asa PLAE 6 ity, noho izy mitondra voka-tsoa betsaka ho an’ny tontolo iainana sy ny fiarovany ny nofon-tany tsy ho kaohin’ny riaka.
Tombontsoa ara-tontolo iainana
Raha tsiahivina tokoa mantsy dia matanjaka sy mivelatra ny fakan’ny volobe, ka afaka manampy amin’ny fanamafisana ny tany sy ny fisorohana ny fihotsahan’ny vato. Afaka manarina ny tany simban’ny doro tanety ihany koa izy ary mitazona ny hamandoan'ny tany, amin’ny alalan'ny ravina mihintsana. Ankoatra izay dia misintona entona karbônina ny volobe, ka manatsara ny kalitaon’ny rivotra sy mampihena ny mari-pana. Amin’ny fiainana andavanandro dia azo ampiasaina ho arina fandrehitra izy, ka manampy amin’ny fampihenana ny fahapotehan’ny ala sy manome angovo madio. Etsy an-daniny, azo ampiasaina amin’ny fanorenana sy amin’ny asa tanana ity karazan-java-maniry ity, noho izany, azo ivelomana tsara ny famokarana sy ny fanodinana azy.
Tsy ny fanarenana ny ala ihany moa no tanjona tratrarina ao anatin’ity tetikasa iarahan’ny Madagascar National Parks sy ny PLAE6 ity, fa eo indrindra koa ny fandrisihana ny fandraisan'ny vondron’olona ifotony andraikitra amin'ny fikojakojana ny ala, mba hahafahan’izy ireo misitraka ny zo sy ny tombontsoa azo avy amin'ny harena voajanahary.