• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

FAO : Hanohana an’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny rafitra ara-pambolena

29/01/2025 11:41 © Moov.Mg

Mitohy ny fihaonan’ny Mpandrindra ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) ho an’ny faritra Atsimon’i Afrika, Patrice Talla Takoukam, amin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miombona antoka eto Madagasikara. Isan’ny nisongadina, omaly, ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison François Sergio.

Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Andro faharoa amin’ny dian’atoa Patrice Talla Takoukam eto Madagasikara ny omaly 28 janoary 2024. Nihaona taminy voalohany ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Tsimanaoraty Mahatante. Nifantohan’ny dinika ny momba ny fampiroboroboana ny jono maharitra, ny fampivoarana ny sekoly ho an’ny jono, sy ny paikady hiatrehana ny voka-dratsy ateraky ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny sehatry ny fihariana anaty rano. Nisy ihany koa ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine. Ny momba ny fitantanana ireo tany simba sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro no vontoatin-dresaka.

Nisy, ankoatra izay, ny dinika nifanaovan’ny Mpandrindra ny FAO ho an’ny faritra Atsimon’i Afrika, tamin-drtoa Volatiana Rakotondrazafy, solontenan’ny rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana ny Indostria (ONUDI), ka nifantoka indrindra tamin’ny fampiroboroboana ny indostria eo amin’ny sehatry ny fambolena ny dinika nifanaovana. Nisy ihany koa ny dinika nifanaovana tamin’ny solon-tenan’ny Vondrona Eoropeanina, Laurent D'Ersu, nanamafisana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ireo rafitra roa tonta.

Tohana ara-bola sy ara-teknika

Fa isan’ny nisongadina ny dinika niarahan’atoa Patrice Talla Takoukam tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, ary ny Solontena Maharitry ny FAO ho an’i Madagasikara, Kaomoro ary Seychelles, Mbouli Charles Mboliko. Namafisin’ny FAO, nandritra ny fihaonana, ny hanohanan’ity rafitra ity an’i Madagasikara, eo amin’ny lafiny ara-teknika, ary hiarahana amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Fikambanam-pampandrosoan'ny Faritra Atsimon'i Afrika (SADC) izany. Hatao laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny rafitra ara-pambolena sy ara-tsakafo, mba hahomby kokoa, manomboka eny an-tsaha hatrany amin’ny tsena. Hampiroboroboana ihany koa ny fahazoana sakafo sahaza sy ara-pahasalamana ho an’ny isam-batan’olona. Etsy an-daniny, hamafisina ny fahafahan’ny mponina miatrika ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana karazam-boly mifanaraka amin’ny toetry ny tany sy ny toetr’andro, ohatra. Ankoatra izay dia hanome tohana ara-bola ho an’ny ady amin’ny valala ihany koa ny FAO.

Tanjona iraisana ny fampandrosoana maharitra sy ny fiarovana ny tontolo ambanivohitra, mba hahazoana vokatra mahomby sy maharitra, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Lire la suite

Articles Similaires