Fihariana anaty rano : Hanampy an’i Madagasikara amin’ny fampivoarana ny jono ny FAO
Nanantateraka fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Minisitra Mahatante Paubert ireo Solotenan'ny FAO aty atsimon'ny Afrika, tamin’ity androany ity. Nahitana an’i Patrice Talla Takoukam sy ny solotenana maharitry ny FAO eto Madagasikara, Charles Boliko izay Efa niara-niasa tamin'ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga (MPEB) hatramin'izay.
Nifampitafa mahakasika ireo ezaka entina hampiroboroboana ny sehatry fihariana anaty rano hahafahana mampiroborobo ny famokarana eto Madagasikara ny anton’izany fihaonana izany.
Tohana ara-teknika
Sehatra iray hibanjinana ny fampivoarana ny famokarana eto madagasikara ny fihariana anaty rano. Isan’ny nandraisan'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga anjara tamin'ny fikaonan-doha mahakasika ny fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara na ny "Trasformation agricole" ny fanomezan-danja manokana ny Fihariana anaty rano. Mba ho fanatrarana ny tanjona napetraka nandritra izany dia vonona ny hanohana an’i Madagasikara ny FAO. Ho an'ity farany dia ity fihariana anaty rano na ny aquaculture ity no hoavin'ny tontolon'ny fanjonoana manerantany ka ilaina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa miaraka amin'ny sehatra izay miandraikitra izany. Arak'izany dia hanampy ny Ministera izy ireo amin'ny Fanampiana ireo mpanjono hiady amin'ny resaka fanapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny fihinanana hazan-drano (ICAM). Isan’ny fanampiana entin’ny FAO ihany koa ny fampitaovana ny mpanjono ary ny fametrahana ireo sekolin'ny Jono ao Faux cap sy Diego sy ny maro hafa. Nisaotra indrindra ireto avy amin’ny FAO ireto moa ny Minisitra, nandritra io fihaonana io.
Raha tsiahivina dia vao nanasonia fifanaraham-piaraha-miasa ny FAO sy ny MPEB ny volana desambra lasa teo. Lelavola mitentina hatramin’ny 6.8 tapitrisa dolara no ahetsika amin’izany. Laharam-pahamehana tamin’izany ny jono madinika. Ity fanamafisana fiaraha-miasa ity kosa dia hiompana amin’ny sehatry ny jono amin’ny ankapobeny mihitsy.



