Fifamoivoizana : Hampiodinina avokoa ny toeram-pandanjana fiara rehetra manerana ny Nosy
Hatsaraina hatrany ny lafiny fifamoivoizana eto Madagasikara. Nanapakevitra araka izany ny Minisiteran’ny asa vaventy fa hampiodina ny toeram-pandanjana fiara rehetra eny amin’ny lalam-pirenena. Isan’ny hatao laharam-pahamehana amin’izany ny fandanjana fiara eny amin’ny RN2, RN4, RN6 ary ny RN7.
Napetraka ny tetiandro hamerenana azy
Zava-dehibe ho an’ny Madagasikara ny fanarahan-dalàna amin’ny vesatra ny fiara entina eny amin’ny lalam-pirenena. Hatao indrindra izany hikojakojana ny lalana sy ny fotodrafitrasa rehetra. Noraisina ho laharam-pahamehana ny fanamboarana ireo toeram-pandanjana fiara eny amin’ny lalam-pirenena lehibe. Efa nametraka tetiandro araka izany ny minisitera amin’ny fotoana hanarenana azy ireny. Niaraka tamin’ny fanohanan’ny Banky iraisam-pirenena (projet PDDR) sy ny Tahirim-bola ho an’ny lalana, dia efa natomboka ary efa eo an-dalam-panatanterahana ny tolo-bidy amin’ny fividianana fitaovana sy fikojakojana ireo tobim-pandanjana. Hamerenana ny fampandehanana ireo tobim-pandanjana ireo dia nametraka drafitra manaraka tetiandro ny Minisitera. Efa nanomboka ny 23 janoary teo ny fampandehanana ny Toby Antsarakofafa, ary ny zoma 30 janoary izao kosa ny eo amin’ny Toby Ambohimalaza, ho an’ny RN2. Ho an’ny RN4 sy RN6 (Antananarivo# Mahajanga sy Antananarivo# Atsiranana), ny Toby Maevatanana dia hiverina hiasa ny 10 febroary ary ny Toby Ambondromamy ny 15 febroary. Isan’ny asa ho tanterahina ihany koa ny famindrana toerana ny toby eo Ambatolampy noho ny antony ara-teknika (RN7) ary ho an’ny TN9, Toliara-Manja Toby Ambondrolava (Belalanda) kosa dia efa am-perinasa hatramin’ny taona 2024.
Hisy ny lalàna hampiharina
Mandeha ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanamboarana ny lalana rehetra manerana ny nosy. Ho fikojakojana azy ireny dia hisy ny lalàna hampiharina amin’ireo fiara mitondra vesatra mihoatra ny tokony ho izy. « Tsy misy antony hanamboarana ny lalana sy ny fotodrafitrasa raha tsy hanaja ny vesatra. Hisy ny volavolana didim-pitondrana hivoaka ato ato hahafahantsika mampihatra ny sazy amin’ireny tsy fanarahan-dalàna ireny », hoy ny Minisitra ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Tsara ny manamarika fa isan’ireo fotodrafitr’asa manana ny anjara toerany amin’ny fikojakojana ny lalana ireto toeram-pandanjana fiara ireto.