Tambajotra mpanondrana sokatra : Sinoa 3 tratra tany Tanzania, olona 19 tratra teto Madagasikara
Mpikambana ao anaty tambajotra mpanondrana an-tsokosoko iraisam-pirenena, efa manana fomba fiasa mirindra tsara ary tsy matahotra ny hamono olona, ireo olona 19 vao nampidirina am-ponja vonjimaika, voarohirohy tamin'ny fikasana hanondrana sokatra 2.700 isa, araka ny fanazavana nentin'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, omaly.
Tambajotra lehibe indrindra rava, teo amin'ny tantaran'ny fanondranana an-tsokosoko nisy teto Madagasikara izy ity, araka ny fanazavan'ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), Fontaine Max Andonirina, omaly teny Ampandrianomby.
Mpiray tsikombakomba 19 isa
Raha tsiahivina dia lehilahy iray, tera-tany tanzanianina, no nahatratrarana sokatra miisa 800 natao tao anaty valizy miisa 7, tao amin'ny trano nonenany tao Andovinjo Betamanga, fokontany Ambondrona, Kaominina Mahajanga, ny harivan'ny zoma 27 desambra 2024. Sokake (astrochelys radiata) avy any Morondava ireo saika haondrana an-tsokosoko ireo, izay saika hampitaina tamin’ny alalan’ny « vedette » haingam-pandeha ho any Tanzania. Taorian’ny nahatrarana ity lehilahy ity dia nihetsika ny « Cellule Mixte d’Enquête », ivondronan’ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny ministera misahana ny Zandarimaria ary ny MEDD. Tonga hatrany amin’ny Faritra maro ny fanadihadiana, ka raha niainga tany Mahajanga dia nitohy tany amin'ny Faritra Androy, Atsimo Andrefana ary Analamanga.
Izany dingana rehetra izany no nahafahana nisambotra ireo olona 19 mpiray tsikombakomba ireo, ka nisy tamin'izy ireo no mpanangona ny sokatra, ny mpitahiry ireo izay voaangona, ny mpanelanelana, ny mpitatitra, hatramin'ny kômandà an'ilay sambo haingam-pandeha saika hanondranana ireo sokatra.
Nahatrarana basy
Taorian'ny fampiakarana azy ireo teny amin'ny Fampanoavana dia nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireo lehilahy 13 ary eny Antanimora kosa ireo vehivavy 6. Misy tera-tany kaomôrianina ny 3 amin'ireo tratra, araka ny fanazavan'ny minisitry ny MEDD. Noho ny fiaraha-miasan’ny ministera eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia nisy tera-tany sinoa ihany koa tratra tany Tanzania, araka ny nambarany. Nomarihin'ny minisitra Fontaine Max Andonirina fa sady mady paika ny tetikadin'ireto olon-dratsy ireto no mampiasa fitaovana maro ihany koa izy ireo, toy ny fiara 4x4 izay ampiasaina amin'ny fitaterana ireo sokatra fotsiny. Nogejaina moa ny fiara, ny moto ary trano izay nampiasain'ireto jiolahy ireto. Nahatrarana basy ihany koa tany amin'izy ireo, izay midika fa tsy matahotra ny hamono olona ireto olon-dratsy ireto, hoy ny Minisitra.
Raha atotaly dia sokatra manodidina ny 2700 isa no saika haondrana an-tsokosoko, saingy izao voasoroka izao. Miroborobo ny fanondranana tsy ara-dalàna ny biby arovana, satria be mpitady ireo sokatra avy aty Madagasikara, araka ny fanazavana. Ireo firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana no tena mankafy azy, izay ataon’izy ireo toy ny biby fiompy ao an-trano. Tamin’ny taona 2024 dia mihoatra ny 3.000 ny sokatra tratra, araka ny tatitry ny MEDD, ka teto Madagasikara ihany ny ankamaroany, fa tsy tafavoaka. Tafaverina ihany koa ny 91% tamin’ireo sokatra tratra naondrana an-tsoosoko, araka ny nambaran’ny Minisitra.