AfWID andiany fahatelo : Mifanakalo traikefa sy fahaiza-manao ao Afrika Atsimo ireo vehivavy afrikanina
Tontosaina any Johannesburg Afrika Atsimo manomboka androany ny fihaonana an-tampony ho an’ny vehivavy afrikanina, antsoina hoe : African Women in Dialogue (AfWID). Tanjon’ity fihaonana ity ny handinihana ny anjara andraikitry ny vehivavy afrikanina ao anatin’ny haitarika sy ny fampandrosoana.
Fifanakalozan-kevitra
Vehivavy malagasy 16 isa, delegasiônina izay tarihin’i Ialfine Papisy, talen'ny firenena miteny frantsay ao amin'ny vondrona Gender-Links aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika, no solon-tena malagasy miatrika ny andiany faha-3 amin’ny AfWID. Nanomboka androany izany ary hitohy hatramin’ny 31 janoary ho avy izao.
Manana andraikitra ny vehivavy eo anivon’ny firenena misy azy, ary afaka ny mijoro ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana. Betsaka ireo fenitra efa nosoniavin’ny iraisam-pirenena, mamaritra ny zo aman’andraikitry ny vehivavy. Fotoana izao handinihina ireo zavatra efa vita, tamin’ireo tanjona izay napetraka, hoy i Ialfine Papisy. Araka izany, maro ireo lohahevitra hodinihina sy hifanakalozan-kevitra, mandritra ireo andro vitsivitsy hanatanterahana ny fihaonana. Isan’izany ny mahakasika ny fandriampahalemana, eo ihany koa ny momba ny fahasalaman’ny vehivavy, izay samy zava-dehibe mba tena hahafahan’ny vehivavy mivelatra ao anatin’ny fisitrahana ny zony.
Vehivavy marefo
Mandray anjara amin’ity andiany fahatelo amin’ny AfWID ity ihany koa ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena toy izao, araka ny nambarany, mba hahafahana mifanakalo traikefa sy fahaiza-manao amin’ireo mpandray anjara hafa. Tena ilaina izany, ao anatin’ny fanatanterahana ny hetsika « Fijery Hafa », hoy hatrany ny minisitra, satria ity hetsika ity dia manatona sy mijery ny lafin’olona rehetra, ka ao anatin’izany ny vehivavy, indrindra ireo vehivavy manana fahasembanana. Nomarihiny moa fa amin’ity taona 2025 ity dia hifantoka bebe kokoa amin’ny vehivavy, indrindra ireo marefo sy manana fahasembanana, ny hetsika Fijery Hafa.
Vehivavy Afrikanina maherin’ny 1000 isa, avy amin’ny firenena 55 manerana an’i Afrika no manatrika ny andiany faha-3 amin’ny AfWID.