Fotodrafitrasa : Heverina ho vita amin’ny faran’ny taona 2026 ny tetezan’i Mangoky
Nitohy tany Bevoay, any amin’ny lalam-pirenena « RN9 », ny fidinana ifotony tanterahin’ny Minisitry ny Asa Vaventy, Rafidison Richard Théodore, any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara. Anisan’ireo tetikasa goavana tanterahina any an-toerana ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky, mirefy manodidina ny 900 metatra. Manodidina ny 15% ny fandrosoan’ny asa ankehitriny ary heverina ho vita ny faran’ny taona 2026.
Goavana ny fanatanterahana ny asa
Nandritra io fidinana io, amin’izao voalohan’ny taona 2025 izao dia manodidina ny 15% ny fandrosoan’ny asa. Tsara ny manamarika fa tetezana isan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara ity ho amboarina ity. Mampiasa tekonolojia avo lenta sy fitaovana ari-fomba ny orinasa CRCC amin’ny fanatanterahana azy. Etsy ankilany dia nampitomboina ihany koa ny fe-potoana hanatanterahana ny asa noho izay fahalebiazana sy fahasarotana eo amin’ireo fitaovana hampiasaina sasany. « Tsy maintsy ho vitaina alohan’ny faran’ny taona 2026 io asa io. Fanamby lehibe izany satria azo antoka fa hampiova sy hanamaivana ny fiainan’ny mponina manodidina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fahavitan’ny tetezana », hoy ny Minisitra nanazava ny asa mbola miandry. Tanterahina amin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Malagasy sy ny mpamatsy vola arabo maromaro, toy ny BADEA sy ny FSD ity asa ity.
Hanova tanteraka ny fifamoivoizana
Ezaka lehibe ataon’ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny fanamboarana io RN9 miainga ao Toliara io. Efa vita tanteraka hatreo amin’ny Distrikan’ i Manja ny asa. Eo am-pamolavolana ihany koa ny fanohizana ny RN9 hatrany Dabaraha sy Morondava. Manara-penitra ny lalana vita saingy mikatso rehefa tonga eo Bevoay, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra. Hatramin’ny adiny 2 ny fijanonana eo amin’ny Bac Bevoay. Vahaolana maharitra manoloana izany ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky ka izany no handraisana azy ho laharam-pahamehana.