Famarinana olombelona : Mety hampigadra mandra-pahafaty sy lamandy hatramin’ny 500 tapitrisa
Mitohy ny fanentanana hataon’ny Birao nasionaly miady amin’ny famarinana olombelona (BNLTEH). Vehivavy miisa 25 avy amin’ny Association des Femmes du Grand Sud-Est : Mitsangana Fa Viavy (MFV)”, indray no nanohizana ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny momba izany.
Eo ambany lalàna ity fihetsika ity
Isan’ny hampahafantarina sy hanentanana ireo fikambanana samihafa ny lalàna mifehy ity famarinana olombelona ity. Voafehin’ny lalàna mikasika ny famarinana olombelona 2014-040, ny 20 janoary 2015 ity zava-doza ity. Ao anatin’izany lalàna izany dia mety hiafara amin’ny fanagadrana mandra-pahafaty na fanaovana asa an-terivozona mandra-pahafaty ny fanaovana azy. « Hampahafantarina io lalàna io isaky ny fampiofanana. Sazy mihatra, figadrana 2 hatramin’ny 10 taona no mahazo izay tratra. Raha sanatria maty ilay olona dia mety hiafara hatramin’ny fanagadrana mandrakizay na asa anterivozona mandra-pahafaty ny fanaovana ity asa ratsy ity. Etsy ankilany dia mety handoa lamandy 1 hatramin’ny 500 tapitrisa ihany koa », hoy i Ranaivoarisoa Seheno, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny BNLTEH. Nanamarika ity farany fa hisy ny fanavaozana io lalàna io mba ho mafimafy kokoa ny sazy ho an’ireo olon-dratsy.
Haparitaka any ambany vohitra ny fanentanana
Miseho amin’ny endrika rehetra ny famarinana olombelona satria raha ny famaritana azy ity, hoy hatrany ny BNLTEH dia fanararaotana olona, entina hahazoana tombontsoa manokana. Isan’ny isehoan’izany ny asa an-trano, asa an-tery sy fampiasana mifandraika amin’ny fanandevozana. Eo ihany koa ny famarotana olona, fananganan-jaza tsy ara-dalàna, fanondranana taova, fanararaotana fivarotan-tena, fanararaotana ara-nofo hatao amin’ny ankizy tsy ampy taona. Isan’ny hamapahafantarina ireo rehetra ireo amin’ny fanentanana rehetra. Ho an’ny MFV dia vonona izy ireo hitondra ny anjara birikiny ary hanambatra ny hery hiadiana amin’ny famarinana olombelona, indrindra any amin’ny faritra misy azy ireo. Nanamarika izy ireo fa « tokony entina any amin’ny faritra alavitra andriana ny fanentanana satria ireny olona ireny tena mora fitahina », tamin’ny fanazavany. Tsara ny manamarika fa afaka mitoroka avokoa izay rehetra mahita tranga.