• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Sma
Image
Vaovao

Fanadiovana : Niakatra hatramin’ny 90% ny tahan’ny olona mahay manavaka ny fako eny Ampefiloha

27/01/2025 12:49 © Moov

Raha teo amin’ny 70% amin’ireo mponina eny Ampefiloha no efa nampihatra ny fanavahana fako dia efa niakatra ho 90% izany amin’izao fotoana izao. Fanandramana ihany ny eny Ampefiloha ary azo lazaina ho mahomby izany. Nandritra ny tomban’ezaka ny faran’ny herinandro teo no nanamafisana izany fahombiazana izany.

Fako 5 taonina isaky ny herinandro

Efa manomboka miova ny fitondran-tenan’ny mponin’Antananarivo raha mijery fotsiny ny fihetsiky ny mponina eny Ampefiloha. Latsakemboka 1 500 ariary isam-bolana no angatahina amin’izy ireo ary ny fokontany sy ny Kaominina, miara-miasa amin’ny Governemanta Japoney amin’ny alalan’ny JICA no maka ny fako efa voaavaka. Raha ny fanazavana avy amin’ny Kaominina dia fako 5 taonina isak’erinandro no halain’ireo mpaka izany eny Ampefiloha amin’izao fotoana izao. « Tamin’ny voalohany tena sarotra ny nampianatra ny olona amin’ny fanavahana fako saingy amin’izao fotoana izao kosa tena efa resy lahatra ny mponina. Vinavinaina ny hitondra ity fomba iray amin’ny fanadiovana ity eny Ampandrana Atsinanana eny indray », hoy ny solontenan’ny Fokontany eny Ampefiloha. Manana kitapo tsirairay ireo tokantrano, natao ho an'ny fako toy ny tavoahangy plastika, kapoaka, boaty fanafody, fonosana bisikoitra, ary iray hafa ho an'ny poti-tsakafo, ny hodi-kazo sy legioma, vary sisa tavela sy ireo karazana fako samihafa.

Manamora ny asan’ny SMA

Ny orinasa SMA irery ihany no mbola voatokana hitaona ny fako eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. Manana fiara manodidina ny 40 izy ireo, miasa isan’andro ary manary ny fako eny Andralanitra. Misedra olana amin’ny tsy fahampiana ara-bola anefa izy ireo ka tsy afaka manatanteraka ny fanodinana fako. « Tsy misy vola miditra ao amin’ny SMA ka tsy maintsy izay kely eo an-tanana no ahodina hahafahana mampandeha ireo fiara ka tsy maintsy mijery izay toerana tena misy fitobiana fako be loatra izy ireo ary iny no atao laharam-pahamehana. Ity fanavahana fako ity anefa manamora ny asan’izy ireo ary efa afaka mametraka ny fandrindrana fakana fako », hoy ny tompon’andraikitr’ity tetikasa ity ao amin’ny Kaominina. Mihena arak’izany mantsy ny tahan’ny fako alain’ny SMA satria ireo afaka ahodina dia alain’ireo orinasa mpanodina izany.

Lire la suite

Articles Similaires