Fefiloha eny Malaza Ampitatafika : Ny fanaovana biriky no isan’ny nitarika ny fahavakisana
Vaky ny fefiloha Androfia Malaza Ampitatafika, vokatry ny ora-mikija, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Antony maromaro no nitarika izany fahasimbana fotodrafitrasa izany, araka ny fanazavana azo, ka isan’izany ny fangalana akora hanaovana biriky.
Lasibatra ny mpamboly
Fefiloha roa no vaky teny Malaza Ampitatafika. Dibo-drano, vokatr’izany, ny lalana mampitohy an'i Malaza Faliarivo, izay ifamezivezen'ireo mpianatra sy lalana izoran’ny olona rehefa hamonjy ny CSB II Faliarivo, nanomboka ny zoma lasa teo. Tanimbary 350 ha ihany koa no voakasiky ny fahavakisan’ity fefiloha ity, ka mpamboly miisa 650 no lasibatra, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika, Ramparaoelina Rado.
Araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanàna ity dia sambany no nisy ny fahavakisan’ireto fefiloha ireto, tao anatin’ny folo taona mahery nitantanany ny kaominina Ampitatafika. Nanjary marefo ny fefiloha, ka isan’ny antony nahatonga izany ny fangadian’ireo olona sasany azy, angalana ranon-tany hanaovana biriky. Nanentana izy, noho izany, ny mba hanatsaharana izany fomba tsy mety izay mitarika fahapotehana izany. Etsy an-daniny, araka ny fanazavan-dRamparaoelina Rado hatrany, dia feno antsanga ihany koa eny amin’ny tetezan’Ambohijafy, ao amin’ny kaominina Fenoarivo. Vokatr’izay dia miverina ny rano ary mitady faritra malemy ivoahana. Noho izany, mila diovina io toerana io mba tsy hiantraika any amin’ny fefiloha ny herin’ny rotsak’orana.
Asa maika
Efa nirotsaka an-tsehatra, nanao izay hanamboarana haingana ireo fefiloha vaky, ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Isan’izany ny Birao Nasiônaly misahana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), ny Antokon-draharaha miandraikitra ny fisorohana ny tondra-drano eny amin'ny lemak'Antananarivo (APIPA), ireo mpitondra eny ifotony sy ireo mpitandro ny filaminana. Nanome hazo (bois rond) miisa 500 sy gony miisa 500 ny APIPA, ary nanampy hazo miisa 750 ihany koa ny BNGRC sy gony miisa 1 000, mba hanatanterahana ny asa maika. Miaramila miisa 150, zandary miisa 20 ary solon-tenan'ny fokonolona miisa 20 ihany koa no isan’ny nifandrimbona nanatanteraka ny fanamboarana, ny sabotsy lasa teo.
Vahaolana lavitrezaka naroson’ny Ben’ny tanànan’Ampitatafika, ary anaovany antso avo amin’ny mpitondra Fanjakana any amin’ny fara-tampony, ny hanamboarana ireo fefiloha ho lasa lalana. Sady fomba anatevenana ireo fotodrafitrasa ireo izany, no hisorohana ny fanorenana tsy ara-dalàna ihany koa, araka ny fanazavany.



