Famokarana : Naroso ny vahaolana hampiroboroboana ny vokatra biolojika sy ny voly fanondrana
Isan’ny noraisina ho zava-dehibe ihany koa ny fampiroboroboana ny vokatra biolojika sy ny voly fanondrana nandritra ny fikaonan-doha nasionaly momba ny famokarana. Natao indrindra izany ho fitsinjovana ny tsena iraisam-pirenena sy ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra malagasy.
Ilaina ny taratasy fanamarinana ny vokatra ara-biolojika
Ny famokarana ara-biolojika sy ny voly fanondrana dia sehatra iray manana ny fahafahana hanatsarana ny toekarena, raha toa ka mandray ny andraikiny ny mpisehatra rehetra. Tokony hatao ao anatin’izany ny mampifanaraka ny hetsika amin’ny fepetra sy ny filan’ny tsena iraisam-pirenena. Tanjona iray ny fametrahana mazava ireo faritra voatokana ho an’ny famokarana ara-biolojika. Ho hamafisina ny fanofanana, ny fampahafantarana ny fomba famokarana ara-biolojika sy ny fomba hanaraha-maso ny fenitra famokarana mifanaraka amin'izay. Notsindriana noho izany fa ilaina ny fananana taratasy fanamarinana ny fananana vokatra nanaraka ny famokarana ara-biolojika (certificat produit biologique). Tanjon’izany ny hahafahana mivarotra ny vokatra eo amin'ny tsena anatiny na ivelany, ary hampiasana ny voambolana hoe vokatra biolojika (produit bio).
Hatsaraina ny fikarakarana taratasy amin’ny voly fanondrana
Etsy ankilany, isan’ny misongadina ny olana ateraky ny fahasarotan'ny fikarakarana taratasy amin’ny fanondranana. Vahaolana naroso ny fanamaivanana ny fomba fikarakarana ny antontan-taratasy, izay manampy amin’ny fampitomboana ny vokatra sy ny fanatsarana ny kalitaon’ireo vokatra, hoy ny avy ao amin’ny Minisitera.
Manoloana ireo fanamby ireo, dia namafisin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny fahavononany hanohana ireo mpisehatra amin’ny famokarana amin’ny fitadiavana famatsiam-bola sy fanomezana torolàlana, ho fanohanana ireo tetikasa momban' ny famokarana ara-biolojika sy ny voly fanondrana eto Madagasikara. Manana herijika lehibe hampiakatra ny toekarena mantsy ireo sehatra ireo ka rariny raha noraisina ho zava-dehibe. Ao anatin’izany anefa dia mila mahatsapa ny andraikiny ny mpisehatra rehetra ka mampifanaraka ny hetsika amin’ny fepetra sy ny filan’ny tsena iraisam-pirenena.