• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 20 hatramin'ny 26 janoary 2025

27/01/2025 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 20 hatramin'ny alahady 26 janoary

Coupe du Monde des traiteurs # Nahazo fankasitrahana manokana ny ekipa Malagasy

Ny ekipan'ny Chef Lalaina Ravelomanana no nisolotena an'i Madagasikara tany Lyon tamin'ilay fifaninanana International Catering Cup 2025. Tamin'ny lalao famaranana, ny 23 janoary lasa teo, dia tany amin'ny laharana faha-4 no nisy an'i Madagasikara. Azon'izy ireo kosa nefa ny Prix du Meilleur Dessert. I France sy i Italie ary i Japon moa no telo voalohany teo alohantsika.

CUA # Fandraisana ny Ben'ny Tanàna vaovao

Ny zoma 24 janoary lasa teo no notanterahina ny lanonana fandraisana tamin'ny fomba ofisialy ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, Harilala Ramanantsoa, teny amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely. Ny tenany moa dia efa PDS teo aloha, ka efa tsy vaovao intsony amin'ireo asa miandry.
Miantso ny rehetra hifanome tanana aminy ho an’Antananarivo ny tenany : "Vonona sy sahy ary ho eo anilanareo mandrakariva aho hanarina an’Antananarivo. Tsy manam-pahavalo ara-politika ihany koa izy fa olona tsotra sy olon’ny fihavanana. Korontana sy ny tsy fandriampahalemana no fahavalo voalohany."

CNTEMAD # Ho lasa Oniversite Nomerika tsy ho ela

Mitohy hatrany ny fifampidinihana mikasika ireo fanatsarana ilaina ho fanovana ny Ivontoeram-pampianarana ampitain-davitra CNTEMAD ho oniversite nomerika. Nisy indray ny fivoriana izay notanterahina teny amin'ny Digital Center Antaninarenina, ny 21 janoary lasa teo. Isan’ny lahadinika ihany koa ny famolavolana tetiandro ho fanatanterahana izany ary ny fampivondronana ny lafiny teknika samihafa entina manantanteraka ny tetikasa.
Tonga nanatrika izany fivoriana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr Loulla Chaminah, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy mirindra, Ramatoa Stéphanie DELMOTTE, ny Filohan’ny « Agence Universitaire de la Francophonie » (AUF), Pr Slim Khalbous, ary ny Tale Nasionalin’ny CNTEMAD, Dr Lalatina Christian Andriamirado.

Iavoloha # Niarahaba ny filoham-pirenena ireo mpitarika ny FFKM

Nitohy tamin'iny herinandro lasa iny ny fiarahabana ny filoham-pirenena, noho ny amin'ny taona vaovao 2025. Ny alarobia 22 janoary lasa teo no namangy ny filoham-pirenena teny Iavoloha ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy, mpitarika ny FFKM. Nisaotra manokana azy ireo ny Filoha Andry Rajoelina indindra amin'ny fitondrana am-bavaka ny vahoaka Malagasy iray manontolo ho fampandrosoana ny firenena. Niarahaba manokana ny Monseigneur Raoelison Jean De Dieu ihany koa ny tenany izay hitarika indray FFKM amin'ity taona 2025 ity.

CCI Ivato # Fikaonandoham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana

Ny 23 sy 24 janoary lasa teo no nanatanterahana ny "Fikaonandoham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara" na "Journées de concertation nationale sur la transformation agricole". Samy nanamafy avokoa ireo nandray fitenenana ny amin'ny fahavononana hiara-hiasa ho fampitomboana ny vokatra eto Madagasikara ka hahatonga antsika ho sompitry ny Ranomasimbe Indiana ary hanatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo araka ny vina sy ny tanjon'Atoa Filoham-pirenena.
Hisy ny tetik'ady hapetraka,ka anisan'izany ny fanomezana fitaovana manara-penitra ny tantsaha sy fanamboarana foto-drafitrasa ary fanohanana azy ireo entina hampiakarana ny vokatra.

Ankorondrano # Fivorian'ireo manam-pahaizana momba ny toetrandro

Voalohany teto Madagasikara ny nandraisana ny fivoriana ireo manam-pahaizana momba ny toetrandro. Izany dia notanterahina ny 21 ka hatramin'ny 27 Janoary 2025, ao amin’ny toerana fandraisam-bahiny Ibis Ankorondrano. Firenena miisa 16 no nivondrona tao anatin’ity fivoriana ity, hamolavolana sy hanavaozana ny vinavinan'ny taom-pahavaratra 2025 ho an’ny Afrika atsimo iray manontolo.
Ho zaraina manditra ny atrikasa momba ny vinavinan’ny tonon-taonan’ny firenena mpikambana ao amin ny SADC, na ny “SARCOF-30” ny vokatra azo avy amin'ity fihaonana ity. Ireo vinavina ireo dia hanampy ny sehatra rehetra amin'ny fandraisana andraikitra sy fiomanana mialoha.

Manjakamiadana # Fiombonana amin'ny kolontsaina Afrikana

Nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny kolontsaina Afrikana i Madagasikara, ny zoma 24 janoary lasa teo. Teny amin'ny Rovan'i Madagasikara no nanatanterahana ny fankalazana. Naseho teo ny santionany tamin'ny taovolo, fitafy, vakodrazana sy dihy nentim-paharazana. Na eo aza ny fiombonana amin'ny kolontsaina afrikana, nomen-danja manokana ny kolontsaina Malagasy. Sambany i Madagasikara no nanamarika izany, araka ny nambaran'ny mpitahiry fomban-drazana iray izay nitarika ny lanonana, Andriandrainarivo Josephin Rasamivelona.

RN44 # Vita ireo asa goavana tamin'ny fanatsaran-dalana tao Mahatsinjo

Vita soa aman-tsara ny fanatsarana ireo teboka tena manahirana ny mpampiasa lalana teo Mahatsinjo, teboka halavirandalana PK 171 amin'ny lalam-pirenena « RN44 » Avaratra, mampitohy an'Ambatondrazaka sy Vohitraivo. Lalana tena nampijaly ny mpampiasa lalana izy ity, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra nohon’ny fisian’ny fotaka mandrevo, ka nojerena akaiky mba hilaminan'ny fifamoivoizana.
Lalan-tany mirefy 800 metatra no nanaovana asa fanatsarana tamin'ny alalan'ny fanaovana fanotofana na « remblai » sy "purge", nialohan’ny nanasiana ireo akora voafantina. Nisy ihany koa ny fanokafana tatatra sy "dalot" mba hampilamina ny fikorianan'ny rano.

RN3A # Vita tsara ny lalana mampitohy an'i Vohitraivo sy Andilamena

Tontosa ny fandraisana vonjimaika ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena "RN3A", eo anelanelan’i Vohitraivo sy Andilamena, Faritra Alaotra Mangoro. Isan’ny tena nampikaikaika ny mpampiasa lalana ity ampahan-dalana mirefy 45 Km ity teo aloha . Namboarina avokoa ireo teboka mainty, tamin’ny alalan’ny tara sy "béton". Nosoloina tetezana "béton" ihany koa ireo tetezan-kazo. Nisy koa ny fanatsarana ankapobeny ny lalana, notanterahin'ny orinasa CGC.
Nanao ny fitsirihana ireo asa vita ny solontena avy ao amin’ny Tahirimbolan’ny Lalana na “Fonds Routier”, izay namatsy vola ny fanamboarana, niaraka tamin’ireo tekinisianina avy amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy sy ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Alaotra Mangoro.

Mahajanga # Fitsidihana ny valan-javaboahary Reniala ao Antanimasaja

Ao amin’ny valan-javaboahary Reniala ao Antanimasaja no anaraha-maso ny fahasalaman’ireo varika miisa 8 tratra nisy nanondrana an-tsokosoko tany Thaïlande ka tafaverina soamantsara teto an-tanindrazana.
Nitsidika ireo biby ireo ny Minisitry ny tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine, nijery ny fanaraha-maso azy ireo. Salama tsara avokoa ireo varika ireo ary efa mamarana ny “quarantaine” izay itazonana azy ireo eto amin’ity ivon-toerana ity mialohan’ny hamerenana azy any an''ala izay toeram-ponenany. Ny sasany amin'ireo varika nampodiana moa dia any amin'ny Centre Reniala ao Mangily Toliara.

Lire la suite

Articles Similaires