Fihariana manga : Mbola betsaka ny vokatry ny jono, very fotsiny sy tsy voahodina
Seha-pihariana mbola azo trandrahana tsara ary azo ivelomana ny sehatry ny jono eto Madagasikara. Manan-karena moron-dranomasina isika ary manana ranomamy marobe ihany koa. Tafiditra ao anatin’ireo sehatra mila fampivoarana ihany koa anefa ny jono, indrindra eo amin’ ny lafiny fanodinana sy fitahirizam-bokatra.
Fanodinam-bokatra eto an-toerana
Mandray anjara amin’ny Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana eto Madagasikara, izay tanterahina eny Ivato nanomboka omaly, ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Isan’ny nivoitra tamin’izany fa betsaka ny vokatry ny jono eto amintsika no very sy simba, ka noho izany dia ilaina ny fanodinam-bokatra eto an-toerana. Maro ihany koa ireo vokatra tsy voahodina alefan’i Madagasikara any ivelany, nefa ahazoana tombony ara-toekarena kokoa raha ahodina eto an-toerana aloha izany vokatra izany.
Misy ny ezaka efa ataon’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, mba hanohanana ireo mpanjono madinika eny ifotony amin’ny fanodinana ireo vokatra. Vao tsy ela akory ohatra, fa ny 12 janoary 2025, dia nanolotra fitaovana toy ny "fumoir" miisa 11, vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly sy "tracteur frigorifique" iray, ho an’ireo mponina ao amin’ny Kaominina Maroalomainty, Distrikan'Ambovombe, Faritra Androy, ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Paubert.
Mitohy ny ezaka
Nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Maga, nandritra ity Fikaonan-doham-pirenena ity, fa efa maro ireo foto-drafitrasa vita sy mbola eo an-dala-pahavitana ary mbola haorina, ary koa ny fanampiana ara-pitaovana sy ara-teknika ireo mpanjono madinika manerana ny Nosy. Efa miezaka ny Ministera, manome fiofanana maimaim-poana manerana ny Faritra eto Madagasikara, mba ho fampiroboroboana izay Fihariana anaty rano izay. Vao ny 20 desambra 2024 lasa iny, ohatra, no napetraka ny vato fototry ny Sekolin’ny Jono voalohany eto Madagasikara, ao Faux Cap, Kaominina Betanty, Distrikan'i Tsihombe, Faritra Androy. Na olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza, dia ho afaka mandray fiofanana ao amin’ity ivon-toerana ity avokoa.
Hatolotra ny tompon'andraikitra moa ireo fehin-kevitra hivoitra mandritra izao Fikaonan-doham-pirenena ho fampivoarana ny famokarana izao, ary haravona miaraka amin'ireo lohahevitra hafa izay dinihina mandritra ny roa andro.



