Distrikan’i Taolagnaro : Fizarana hanam-pamokarana ho fampiroboroboana ny fambolena ao Manambaro
Nisongadina indray ny kaominina Manambaro, ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro amin’ny fampivoarana ny fambolena. Vokatry ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny tetikasa PICAS-1 sy ny Tahirim-bolan’ny Fampandrosoana momba ny fambolena (FDA), ary ny DRAE ao Anôsy dia tantsaha miisa 136 nisitraka hana-pamokarana.
Hana-pamokarana ho fampiroboroboana ny famokarana
Anisan’ny laharam-pahamehana amin’ity fiaraha-miasa ity ny fanatsarana ny fampidirana ireo akora sy fitaovana ara-pambolena manara-penitra, indrindra ny zezika sy masomboly voamarina ho an’ny vary sy ny voly an-jaridaina. Tantsaha mpamokatra miisa 136 ao amin’ny kaominina Manambaro no nisitraka izany fitaovana sy vokatra isan-karazany izany. Ahitana masomboly vary milanja 1.224 kg, zezika NPK 2.040 kg ary zezika organika 10.200 kg. Mikendry ny hanohana ny hetsika momba ny fambolena ho an’ity taona 2025 ity ny fizarana. Ity farany ity izay mifantoka amin’ny sehatra miisa telo. Voalohany amin’izany ny famatsiana fitaovana manara-penitra, ny fanapariahana ny fampiasana milina amin’ny fambolena ary ny fampivoarana ny fandraharahana any ambanivohitra.
Fanohanana ara-teknika hahazoana vokatra maharitra
Ankoatra ny famatsiana fitaovana, hahazo tombony amin'ny fanofanana sy fanohanana ara-teknika ihany koa ireo tantsaha mpamokatra ireo. Mbola mikendry hatrany ny hampiroborobo ny teknika fambolena nohatsaraina amin'ny fampiasana tsara ny fitaovana zaraina ihany koa ity fanohanana ity. Etsy ankilany dia mbola hanampy ihany koa amin'ny fanatsarana ny vokatra ary manamafy ny faharetan'ny tantsaha manoloana ny fanamby ara-toe-karena sy ara-toekarena izany. Heverina hiova mantsy ny fampiharana ny fomba fambolena rehefa misitraka izany fampiofanana izany. Tsara ny manamarika fa fizarana voalohany izany notanterahina izany. Mamaly ihany koa ny tanjon’ny tetikasa PICAS1. Manamafy ny fiaraha-mientana mba hampiroboroboana ny fambolena sy ny teo-karena any an-toerana izany.