Fanabeazana : Tokony hanana ny toerany any an-tsekoly ny IA, hoy ny UNESCO
Marihina androany 24 janoary 2025 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana. Ho an’ity taona ity, dia ny « Ilon-tsaina Artifisialy » (Intelligence Artificielle – IA) no iompanan’ny lohahevitra izay nosafidian’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny fanabeazana, ny siansa sy ny kolontsaina (UNESCO).
Ampiasaina anaty fanajana etika
Ny hametraka ny teknôlôjia vaovao ho isan'ny fitaovana enti-manatratra ireo tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) no isan’ny tanjon’ny UNESCO, amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Eto Madagasikara anefa, na ny fikirakirana aterineto tsotra fotsiny aza dia mbola tsy natao ho an’ny besinimaro. Raha ny nivoitra tamin’ny fanadihadiana MICS6 mantsy, dia mbola ny 5%-n’ny tokantrano malagasy monja no manana solosaina ; tokantrano 1 amin’ny 10 no manana aterineto ary latsaky ny 8% ny tahan’ny fananana fahaizana manokana momba ny fampiasana ny teknôlôjia maoderina. Araka ny nambaran’i Audrey Azoulay, tale jeneralin’ny UNESCO anefa, dia « fanararaotra manan-danja be ho an’ny fanabeazana ny IA, raha toa ny fampiroboroboana azy ka voafaritra ao anaty fitsipika manaja etika mazava. Mba hahafahana mamoaka tanteraka ireo fahafaha-manao omeny, dia tokony hiaraka amin’ny fijerena ny maha-olona sy ara-tsôsialy ny fampiasana ny IA eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Tokony ho afaka hampiasa azy avokoa, na ny mpampianatra, na ny mpianatra, mba ho an’ny fizakan-tenany sy hahasoa azy ».
Elanelana ara-nomerika
Araka izany, ny tanjona kendren’ny UNESCO, amin’izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana izao, dia ny hisian’ny fiaraha-midiniky ny maneran-tany, mba hamaritana ny toerana tokony omena ny IA eo amin’ny fanabeazana. Any amin’ireo firenena efa mandroso, araka ny antontan’isan’ny UNESCO, dia efa mampiasa ity teknôlôjia avo lenta ity ny roa ampahatelon’ny mpianatra any amin’ny kilasy ambaratonga faharoa. Efa mihamaro ihany koa ireo mpampianatra no mampiasa ny IA rehefa manomana izay taranja ho ampianariny ny mpianany. Ho antsika eto Madagasikara, ny mpianatra an-drenivohitra no mahalala kokoa ny IA, raha mitaha amin’ny ankizy any ambanivohitra, izay manaporofo ny mbola fisian’ny elanelana ara-nomerika misy eto amintsika.
Araka izany, manentana ny firenena rehetra maneran-tany, mba hametraka lalàna ahafahana migoka ny tombontsoan’ny IA eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny UNESCO. Nomarihin’ny tale jeneralin’ny UNESCO anefa fa tsy tokony hosintonina amin’ny teti-bola efa natokana ho an’ny hetsika hafa ny fampiasana ny IA, fa tokony ho teti-bola fanampiny, ho fampiroboroboana ny fanabeazana.



