Fiomanana amin’ny loza : Fokontany 20 nahazo fitaovana hanairana mialoha amin’ny mety ho loza
Amin’izao vanim-potoan’ny orana izao, dieny mbola tsy miakatra ny rano eny amin’ny faritra iva dia efa miomana amin’izany sahady ny fokontany. Nanolotra fitaovana ho azy ireo ny Vokovoko mena Malagasy, tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Vokovoko mena Alemana. Tanjon’izany fampitaovana izany ny hahafahana miomana mialoha sy mahafantatra mialoha ny mety ho loza.
Fokontany marefo miisa 20
Toerana maro eto Antananarivo no ahiana amin’ny mety ho tondra-drano na tany mihotsaka, na vato mety hianjera. Izany indrindra no nisafidianana ireto fokontany miisa 20 ireto. Ao anatin’izany ny avy ao amin’ny Boriborintany voalohany, izay ahitana Fokontany miisa 8. Misy an’Andavamamba Anjezika I-II, Antetezanafovoany I, Andohatapenaka I-II, Ankasina, IIIG Hangar, Antohomadinika Sud, FAAMI. Ny ao amin’ny Boriborintany faharoa misy Fokontany 2 dia Andafiavaratra sy Manjakamiadana. Eo ihany koa ny Boriborintany 4 misy Fokontany 8, ahitana an’Anosibe Andrefana, Ivolaniray, Anosipatrana Ouest-Est, Mandrangombato I-II, Ambohibarikely, Ambanin’Ampamarinana. Ary ny Boriborintany fahenina misy Fokontany 1 dia Andraharo. Ireo Fokontany ireo, raha ny fanazavana dia anisany tena marefo eto amin’ny Faritra Analamanga ary tandindonin-doza rehefa misy ny loza toy ny rivodoza ary matetika no dibodrano ny faritra sasany ary ahitana fiotsahan’ny vato na tany kosa ireo eny amin’ny Faritra avo.
Fitaovana mora ampiasaina
Nanamarika ny avy ao amin’ny Vokovoko mena malagasy fa efa voaofana ny olona hampiasa ireo fitaovana ireo. Afaka mandray andraikitra avy hatrany ihany koa rehefa misy ny loza. Ireo fitaovana ireo dia ahitana saina SAP misy loko karazany 4 (Maitso, Mavo, Mena, Manga). Eo ihany koa ny mégaphone, Radio HF, Sifflets, Gilets SAP miloko 4 (Maitso, Mavo, Mena, Manga), Gilets ELS, T-Shirt ELS, Casquettes ELS, Bottes de pluie, Imperméables, Torches ary ireo Kits de secours. Ity fanapahan-kevitra ity, raha ny fanazavana dia entina hamporisihana ny fiaraha-miasa eo amin'ny vondrom-piarahamonina sy ny manampahefana eo an-toerana amin'ny ezaka iombonana amin'ny fitantanana ny loza. Eo ihany koa ny fanapariahana eo anivon’ny fokontany ny maha zava-dehibe ny fikojakojana ny fitaovana sy ny fampiharana ny fanalefahana ny risika sy ny fanentanana eny anivon’ny fokontany tsirairay avy.



