• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fambolena volobe : Tokony havaozina ny lalàna momba ny fitrandrahana sy fanodinana azy

20/01/2025 15:14 © Moov.Mg

Sady ahazoana tombontsoa ara-toekarena no mitondra voka-tsoa ara-tontolo iainana ny volobe (Bambou). Mora maniry mantsy izy ary tsy mifidifidy toe-tany. Etsy an-daniny, ny velarana ala volobe 1 ha dia afaka mitahiry entona karbônina manodidina ny 90 taonina isan-taona. Mbola tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy anefa ny volobe eto amintsika ary mbola manjavozavo ihany koa ny lalàna mifehy ny fitrandrahana azy.

Mora maniry

Ahitana karazana volobe 42 isa eto Madagasikara, ka ny 38 amin’ireo dia tsy hita raha tsy eto amintsika. Ampiasaina amin-javatra maro izy, toy ny tao-trano, ny famokarana angovo, anamboarana arina fandrehitra, anaovana asa tànana isan-karazany ary azo atao sakafo ihany koa. Tsy sarotra ambolena ny volobe, ka isan’ny safidy tsara izy, raha handraharaha miompana amin’ny fambolena.

Isan’ny mampiroborobo ny fitrandrahana ny volobe, ho amin’ny fahazoana angovo azo havaozina, ny fikambanana AIDES Développement, ao anatin’ny tetikasa Projet Intégré Atsinanana (PIA), izay entin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Noho ity zava-maniry ity mitombo haingana, dia azo ampiasaina ho solon’ireo hazo fanao arina fandrehitra mahazatra izy. Tombony lehibe amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izany.

Manan-danja ara-tontolo iainana

Olana tsapan’ireo efa niroso tao anatin’ny fitrandrahana ny volobe anefa ny momba ny didy aman-dalàna mifehy ity sehatra iray ity. Tsy mitovy karazana amin’ireo hazo hafa, toa irao fanamboarana fanaka izy, ara-tsiantifika, saingy eo amin’ny lafiny lalàna kosa, dia mitovy amin’ny an’ny hazo ihany, eto amintsika, ny lalàna momba ny fitrandrahana sy fanodinana volobe. Mametraka olana eo amin’ny fitantanana azy maharitra io lalàna manjavozavo io, ka mila fanarenana, hoy ireo mpitrandraka.

Araka izany, rakazan-javamaniry manana ny lanjany ara-tontolo iainana sy ara-toekarena ny volobe. Manampy amin'ny ady amin'ny fiovan'ny toetrandro izy ary ny fambolena azy dia hahafahana manarina ireo tany simba vokatry ny doro tanety. Tsiahivina fa niditra tao amin’ny fivondronan’ireo firenena maneran-tany mampiroborobo ny fampiasana ny volobe sy ireo karazany (INBAR) i Madagasikara, nanomboka tamin’ny taona 2004. Ahitana firenena mpikambana 46 ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires