Sosialy : Ankizy sy tanora miisa 6 000 kasaina hozaraina kopia maimaim-poana eto Antananarivo
Isan’ny fepetra takiana amin’ny maha-olom-pirenena ny kopia. Mbola aman’arivony ireo zaza sy tanora tsy manana izany, eto Antananarivo. Isan’ny antony iray nanatanterahan’ny Koaminina Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF) miasa amin’ity tetikasa fanomezana kopia maimaim-poana ity.
Miisa 6 000 no kasaina
Ankizy sy tanora eto amin’ny tanànan’Antananarivo miisa 6 000 no eritreretina hisitraka ireto kopia ireto. Efa nanomboka tamin’ny volana septambra izany ary nitohy teo amin’ny boriborintany fahefatra omaly. Miisa teo ho eo amin’ny 900 teo izany nozaraina izany. Raha ny fanazavana avy amin’ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanàna dia efa manakaiky ny fanatrarana ny tanjona tamin’ity tetikasa ity. « Efa mahatratra 5 764 amin’izao fotoana izao no voazara izay efa hatramin’ny 97% raha ny salan’isa », hoy i Alexandre Georget, PDS. Tsara ny manamarika fa tena ilain’ny olona rehetra ny fananana ity kopia ity ka antony nanaovana izany ho laharam-pahamehana. Ny OIF amin’ny alalan’ny tetikasa PRODIGY no mamatsy vola izany asa lehibe izany.
Ilaina mandramaty ny kopia
Tsy ny eto Antananarivo fa ny malagasy tsy vaky volo dia tokony samy hisitraka izany kopia izany avokoa. Vao teraka mandrapahafaty no ilaina azy io. Vao teraka dia manana 30 andro ny Ray aman-dreny hanao ny fanambarana fahaterahana hahafahana manao ny kopia, eny amin’ny distrika nahaterahany. Rehefa hianatra dia mbola ilaina ihany koa izy io. Eo am-panaovana karapanondrom-pirenena dia mbola ilaina ihany koa izy. Mitohy izany eny amin’ny fitadiavana asa, fisoratam-panambadiana. Ary farany, rehefa hanao ny fanambaram-pahafatesana ny fianakaviana dia mbola mila azy io ihany koa. Ankoatra izay moa dia zon’ny olon-drehetra ny fananana azy, ary ny mifanohitra amin’izany dia hilazana fa tsy olom-pirenena ny olona iray. Etsy ankilany dia maro ny ilaina azy io amin’ny fiainana andavan’andro, toy ny fanaovana pasipaoro sy ny taratasin-tany samihafa.