Fampiroboroboana ny fihariana manga : 43 088 isa ireo olona nahazo tombontsoa tamin’ny taona 2024
Taona nampiroborobo ny sehatry ny jono sy ny fihariana manga ny taona 2024, araka ny jery todiky ny zava-bita, notontosain’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, androany 16 janoary 2025. Fotoana nametrahana ireo vina ho an’ity taona 2025 ity ihany koa, ny fihaonana natao androany.
Tosika ho an’ny fiompiana trondro
Nanamarika iny taona 2024 lasa iny ny fanatanterahana ireo fampiofanana maimaimpoana momba ny fiompiana trondro, ny fambolena lomotra, ny fiompiana janga, ny fanatavezana drakaka, ny fanodinana sy fitehirizam-bokatra… izay natolotry ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Manodidina ny 43 088 isa ireo olona nahazo tombontsoa tamin’izany, manerana ny Faritra 24, araka ny tatitra navoitran’ny avy eo anivon’ny ministera.
Mbola hitohy amin’ity taona 2025 ity izany fanomezana tosika ny fihariana manga izany, amin’ny alalan’ny fampandehanana sy fametrahana ireo « Zones D’Emergence Piscicole » (ZEP) hahafahana mampiroborobo ny fiompiana trondro manerana an’i Madagasikara. Eo ihany koa ny fanomezana tosika ny sehatry ny jono madinika, amin’ny alalan’ny fametrahana ny sekolin’ny Jono ao Faux Cap Lavanono, Faritra Androy, mba hanampiana ireo mpanjono hiditra amin’ny sehatry ny matihanina. Hifanindran-dalana amin’izany ny fampitaovana azy ireo ary koa ny fametrahana ireo fotodrafitrasa hanodinana sy hitehirizana ireo hazandrano, mba hampihena ny fahasimban’ireo vokatra azo. Hisy, ankoatra izay, ny fanatsarana ny haitondra eo amin’ny fitantanana ny sehatry ny jono.
Jono mangarahara
Isan’ny nanamarika iny taona 2024 nivalona iny ihany koa, araka ny fampahafantarana nataon’ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert, ny nahatafapetraka, teo anivon’ny ministera, ny rafitra entina miady amin’ny kolikoly sy ny fahavitan’ny tatitra ho fangaraharahan’ny sehatry ny jono an-dranomasina (rapport FiTi 2023). Ankoatra izay dia isan’ny nimasoana ny fanentanana eny ifotony momba ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana hazan-dranomasina (ICAM) ary koa ny momba ireo didy aman-dalàna tsara ho fantatra momba ny fanjonoana sy ny fitrandrahana ny hazan-dranomasina.
Mbola hitohy hatrany izany fanentanana izany, amin’ity taona ity, amin’ny alalan’ny fametrahana sy ny fampiasana ireo takelaka fampahafatarana mialoha ny mety ho toetry ny Andro any amin’ny tanànan’ny mpanjono miisa 3.000. Hotohizana ihany koa ny ezaka ho fanamafisana ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna, ka vinavinaina ho tonga amin’ity taona 2025 ity ny sambo miisa roa hanampy ho amin’izany, vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny firenena Japoney.
Araka ny tatitra moa dia nanodidina ny 26 541 taonina ireo vokatra hazan-drano naondran’i Madagasikara tamin’ny taona 2024. Tsara ihany koa ny mahalala fa hotanterahina eto Madagasikara amin’ny volana aprily izao, any Toliara, ny fihaonamben’ireo tanora aty Afrika misehatra eo amin’ny Toekarena Manga andiany faharoa.