• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Herinaratra : Ho tonga amin’ny volana febroary ireo « kits branchement Mora » miisa 90 000 fanampiny

16/01/2025 09:22 © Moov

Mitohy ny ezaka amin’ny fampisitrahana herinaratra ny Malagasy tsy vaky volo. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, omaly, ny fampitana am-bava momba ny firosoan'ny tetikasa « KIT- BRANCHEMENT MORA ». Fitaovana miisa 90 000 no handrasana hatramin’ny volana febroary.

Hozaraina ny 11 000 isa

Raha tsiahivina ity tetikasa ity dia natao mba hanamorana ny fisitrahan’ny malagasy rehetra ny herinaratra. Ireo tena sahirana no mahazo tombony voalohany amin’izany ary misy ny fepetra takiana hahafahana misitraka azy. Raha tsiahivina dia ny taona 2021 no niantombohan’ny tetikasa. Mitotaly 195 000 ireo « Branchement Mora » ho tsinjaraina amin'ity tetikasa ity ka 94 000 no efa tonga eto Madagasikara. Ny 63 000 amin'ireo no efa notsinjaraina sy napetaka tamin'ny taona 2024. Andrasana kosa amin’izao fotoana izao ny fiavian'ireo « kits » miisa 90.000 izay ho tsinjaraina amin'ity taona ity. Heverina ho tonga tsikelikely hatramin’ny volana febroary ireo farany ireo. Etsy ankilany dia efa an-dalam-pamoahana sy fitsinjarana azy kosa ireo fitaovana miisa 11.000 efa ao amin’ny seranan-tsambon'i Toamasina.

Fianakaviana marefo

Hisitraka ity tetikasa ity ireo fianakaviana marefo manana fidiram-bola latsaky ny 300 000 ariary isam-bolana, raha ny fanazavana. Vola eo amin’ny 30 000 ariary eo kosa no alohan’izy ireo amin’ny fampidirana ireo fitaovana samihafa. Misy karazany izy io, ao anatin’izany ny « branchement mora » misy ny « kit ready board » ahitana taribin-jiro sy « prises » apetaka ao an-trano. Eo ihany koa ny « kit branchement » izay misy kaontera sy ny fitaovana mampifandray izany amin’ny tambazotra mitondra herinaratra ary ny « kit éclairage » izay ahitana takamoa mitsitsy. 10 000 ariary isam-bolana eo ihany kosa ny vidin’ny fahana isam-bolana misy 10KWh, izay ampy tsara hahazoana hazavana amin’ny ankapobeny. Tsara ny mampatsiahy fa laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny famatsiana herinaratra amin’izao fotoana izao. Laharana fahasivy amin’ireo firenena manana olona tsy misitraka herinaratra be indrindra mantsy i Madagasikara, araka ny tatitry ny fandrosoan’ny angovo ny taona 2024. Ny taona 2022 dia 36% ny tahan’ny fahazoana herinaratra teto Madagasikara ; manamafy ny filàna haingana ity tetikasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires