Doro ala sy doro tanety : Mihoatra ny 30 isa no efa voasambotra tamin’ity taona 2025 ity
Olona mihoatra ny 30 isa no efa nosamborina noho ny resaka doro ala sy doro tanety, raha ho an’ity taona 2025 vao miantomboka ity fotsiny, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), omaly. Mitohy ny fitadiavana paikady ahafahana miady mafimafy kokoa amin’ny afo eto Madagasikara.
Fandrindrana asa
Namory ireo solontenan’ny ministera isan-tsokajiny, ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena, ary ireo mpisehatra rehetra voakasika, toy ny Birao nasiônaly misahana ny fitantanana ny Tandindondoza sy ny Loza (BNGRC), omaly 15 janoary 2025, ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Tanjona tamin’izany ny fanatsarana ny fandrindrana ny fandraisana andraikitry ny departemanta tsirairay, sy ny paikady entina miatrika ny ady atao amin'ny doro tanety sy ny doro ala. Izany dia mifandraika amin’ny toromariky ny filoha Andry Rajoelina, nandritra ny filàn-kevitry ny minisitra tamin’ny 8 janoary 2025 lasa teo, izay milaza fa ny ady amin’ny afo, ny doro tanety sy ny doro ala, dia ady iombonan’ny rehetra.
Efa misy ny fiaraha-miasa, efa misy ihany koa ny rafitra sy ny paikady, hoy ny minisitra, fa tsy maintsy amafisina izany fiaraha-miasa izany, sy ny fandrindrana ny hetsika atao rehetra, mba hampahomby ny ady iaraha-manana. Anisan'ny teboka lehibe niaraha-nidika ny momba ireo paikady hialana amin'ny fanaovana ny tavy ; ny fanamafisana ny fanentanana sy ny fanabezana ny tsirairay, indrindra ny eny ifotony, ny fampiharana ny lalàna mifehy ny doro tanety sy ny doro ala aryy ny fanavaozana izany lalàna izany. « Mbola didy hitsivolana tamin’ny taona ’60 no ampiasaintsika amin’izao. Izany indrindra no antony iarahana miasa amin’ireo Solombavambahoaka sy Loholona mba hanamafisana ny lalàna, ka ho sazy hentitra no homena ireo mpanimba ny harem-pirenena », hoy ny minisitra.
Fampidirana am-ponja
Raha ny antontan’isa tamin’ny taon-dasa dia manodidina ny : 6 tapitrisa ha ny velaran-tany may teto Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitry ny MEDD, ary salan’isa ambony io, raha ampitahaina amin’ireo taona maromaro farany. Ny 2% tamin’izany velaran-tany may izany no ala. Efa nisy tamin’ireo nahavanon-doza no voasambotra, ka ho an’ity taona 2025 ity fotsiny dia 30 hatramin’ny 40 isa any ho any no isan’izy ireo, araka ny antontan’isa nomen’ny minisitra.
Ny 7 janoary 2025, ohatra, dia olona miisa 6, tompon’antoka tamin’ny fanaovana tavy tao anatin’ny faritra arovana Andohahela, ka niteraka ny firehetan’ny ala, no voasambotra tao amin’ny kaominina Ankaramena Faritra Anosy. Taorian'ny nanolorana azy ireo ny fitsarana dia nahiditra am-ponja avokoa izy 6 ireo.



