Fambolena : Notolorana fitaovam-pamokarana ny tantsaha lasibatry ny doro tanety sy ala ao Fitovinany
Isan’ny olana lehibe hatrehin’ny faritra Fitovinany ny doro tanety sy doro ala, tao ho ao. Naniraka ifotony ny Tale Jeneraliny ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisitera, ny 9 sy 10 janoary lasa teo hijery vahaolana ho an’ny tantsaha mpamboly.
Fanolorana fitaovam-pamokarana
Miteraka hain-tany sy manohintohina ny seha-pamokarana ireo fahamaizana niseho tany an-toerana ireo. Mba hamaliana izany, nisy hetsika vonjy taitra notanterahina, izay fifampidinihana sy fanadihadiana ifotony nifampiresahana tamin’ireo tompon’andraikitra ambony tao an-toerana. Noresahina nandritra izany ny olana mahazo ny tantsaha, toy ny tsy fahampian-drano, izay mametraka sakana goavana ho an’ny famokarana sy ny fiainan’ny mponina. Vahaolana noraisina araka izany ny fanomezana fitaovam-pamokarana hanampiana ireo tantsaha lasibatry ny doro tanety sy ny doro ala. Tao anatin’izany ny trano tantely miisa 10 ho an’ny fokontany Ambohimandroso. Teo ihany koa ny zezika sy masomboly vary X265 sy Mihary entina hanomanana ny fotoam-pamokarana. Zanak’akoho miisa 300, narahina sakafo (vary akotry) kosa ho an’ireo mpiompy ao amin’ny kaominina Tataho.
Nanampy izany ihany koa ny fampiharana fepetra vaovao, toy ny fametrahana ny tanin-ketsa iombonana na “pépinière géante” tao amin’ny kaominina Vohipeno sy ny fokontany Mitanty. Hifantoka amin’ny fanomanana masomboly sy ny fampitomboana ny vokatra izy io. Tanjona ny hahafahana mizara maimaim-pona ny ketsa ho an'ireo mpamokatra vary ireo.
Fahavitan-tena ara-tsakafo
Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary isan’ny vina hanatrarana izany ity notanterahina ity. Ao anatin’izany ny fahavitan-tena ara-bary sy hampivoarana ny famokarana hirosoana amin’ny "transformation agricole". Tsara moa ny manamarika fa kilaometatra maromaro no niharan’ity doro ala sy tanety ity. Tsy tany amin’ny faritra Fitovinany irery ihany no nisehoan’izany olana izany ka mbola lavitra ny ezaka amin’ity tanjona ity. Efa dingana ihany izao hoy ny Talé jeneralin’ny Fambolena sy ny Fiompiana fa mbola hitohy ny ezaka. Ankoatra ny fambolena dia nanamarika ity iraka ity fa ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Izany dia mba ho antoky ny fanarenana sy ny fampivoarana ny tontolo iainana ary ny famokarana.