Olan’ny rano ao Androy : Olona miisa 240 000 voakasika, nametrahana vahaolana fohy ezaka
Efa herinandro maromaro izay no nivantana tamin’ny mponina ny olan’ny tsy fahampiana rano any amin’ny faritra Androy ; mitentina hatramin’ny 5000 ariary ny siny iray 20 litatra. Olona miisa 240 000 eo no tena miaina izany mivantana.
Nidina tany an-toerana, araka izany, ny Minisiteran’ny rano, ny fidiovana sy ny fahadiovana ny faran’ny herinandro teo nikaro-bahaolana. Teo anilany ihany koa ny Minisitry ny jono sy ny toekarena izay minisitra mpiahy ny faritra.
Nampiana dimy ireo fiarabe mpitatitra rano
Vokatry ny haintany sy ny tsy fisian’ny orana manerana ny nosy dia nihamafy io olan’ny famatsian-drano any atsimo io, indrindra Ambovombe sy ireo kaominina manodidina. Raha 120 m3/j ny rano vokatra ao Mahavelo, izay mpamatsy ny faritra hatramin’izay dia tsy misy afa-tsy 25m3/j sisa ny vokatra amin’izao fahamainana izao. Isan’ny vahaolana fohy ezaka natolotra araka izany ny fanampiana 05 hafa ireo kamiao citernes ny AES, mpitatitra rano, 2 ihany no sisa mandeha teo aloha. Eo ihany koa ny fanatsarana ny resaka vidin-drano ho zakan'ny vahoaka ary hampitoviana izany. Amin’izany dia eny amin’ny tobim-pamokarana rano Mandrare, JIRAMA Amboasary no maka rano, hiantohana ny fahadiovan’izay zaraina.
Hiara-hientana ihany koa ireo mpisehatra sy mpiara-miombona antoka hitondra anjara biriky tandrify araka izay afaka atao, sy mifanaraka amin’ny filana. Araka izany, ny minisiteran’ny jono kosa dia nitondra rano amin’ny kamiao 1 220 bidons jaunes avy any Ifaho izay ho zaraina mivantana amin’ireo Fokontany izay tena voa mafy. Handrasana ihany koa ireo 1 300 bidons jaunes ambiny avy any Toamasina izay nalefa sambo.
Hafainganina ny fanamboarana ny fotodrafitrasa
Tao anatin’ny vahaolana naroso ihany koa ny fanafainganana ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa tena ilaina amin’ny famatsiana rano. Nanazavana araka izany ny Minisitra fa vinavinaina ho vita afaka 7 herinandro eo ny fantsona Mandrare Sampona. Nisy ny fitsidihana mivantana ny fotodrafitrasa ho fanarahamaso izany asa izany. Tao anatin’izany ihany koa ny toho-drano Havelo Mandrare sy ny Efaho.