• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meha
Image
Vaovao

Herinaratra : Fotodrafitrasa maromaro no simban’i Dikeledi, tany DIANA sy SAVA

13/01/2025 09:32 © Moov.Mg

Ankoatra ireo fahavoazana arak’olona, dia nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Dikeledi teto amintsika ihany koa ireo fotodrafitrasa. Isan’izany ireo mitondra herinaratra. Omaly, dia efa nanomboka nanarina izany fahavoazana izany ny teo anivon’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo.

Tany amin'ny tapany avaratr’i Madagasikara, izay nandalovan’ilay rivo-doza Dikeledi, no tena nahitana fahasimbana ireo fotodrafitrasa mitondra herinaratra. Araka ny nambaran’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) ao Antsiranana, dia efa nanomboka omaly ihany ny asa fanarenana ireo simba.

Fahatapahan’ny herinaratra

Ho an’ny Faritra DIANA, tao Ambilobe, dia maromaro ireo andrin-jiro nianjera tamin’ny tany sy tariby mitondra herinaratra tapaka vokatr’izany. Tao Ambanja dia maro ihany koa ireo tariby mitondra herinaratra "moyenne tension" (MT) sy "basse tension" (BT) no tapaka. Efa an-dalam-panarenana ireo ny teknisianina any an-toerana. Ho an’i Nosy Be dia nojerena manokana ireo tariby mitondra herinaratra(LT_MT) mampifandray ny tobim-pamokarana ao Diego Hely sy SST Maroakatsaka, noho ny tariby mitondra herinaratra mianjera amin'ny tany. Mitarika fahatapahana amin’ny famatsiana herinaratra any an-toerana ny asa fanamboarana tanterahina.

Any amin’ny Faritra SAVA, dia narahi-maso ny tambazotra mitondra herinaratra tao Vohhémar, nanomboka omaly tamin'ny 5 ora maraina. Raha ny tatitra aloha, hatreto, dia tsy nisy ny fahasimbana lehibe nitranga tany an-toerana, teo amin’ny lafiny fotodrafitrasa momba ny herinaratra, na dia isan’ireo Distrika tena nandalovan’i Dikeledi aza ny tany an-toerana. Tsy nahitana fahasimbana goavana ihany koa tany Antalaha sy Andapa. Tany Sambava dia nisy fiatoana ny famokarana herinaratra, omaly tamin’ny 10 ora maraina, saingy efa naverina tsikelikely izany, taorian'ny fanaraha-maso sy fanadiovana natao.

Rano avy any ambony

Raha ny tatitra ôfisialy farany navoakan’ny Birao Nasiônaly misahana ny Fitantanana ny Tandindon-Doza sy ny Loza (BNGRC), tamin’ny 4 ora sy 30mn, omaly 12 janoary 2025, dia olona 3 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy, 1702 no traboina ary 257 no nafindra toerana. Tano 330 isa no dibo-drano ary 58 hafa no nisy fahasimbana, raha 10 kosa no rava tanteraka. Nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, nifanaovan’ny Tale Jeneralin'ny BNGRC, ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, omaly, dia nanome toromarika ho an’ny rehetra izy mba samy ho mailo, indrindra amin’ny rano mikoriana avy any ambony, izay mety hitera-doza amin’ny mponina ety ambany.

Lire la suite

Articles Similaires