• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo miatrika ny fahavaratra : Hanomboka androany ny fanadiovana faobe ny lakan-drano

10/01/2025 12:14 © Moov

Vahiny manokan’ny Televiziona Malagasy ny Talen’ny Birao Nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), omaly. Noresahina tamin’izany ny fiatrehan’ny Tanànan’Antananarivo ny fahavaratra. Hiadiana amin’ny rano miakatra sy ny mety ho ambana. Niara-dalana taminy tamin’izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny APIPA ary ny SMA.

Lakan-drano mirefy 10 km

Isan’ny olana iainan’ny mponin’Antananarivo rehefa fotoam-pahavaratra toy izao ny fiakaran’ny rano, indrindra eny amin’ny ambany toerana. Efa miomana amin’izany anefa ny BNGRC, miaraka amin’ny APIPA sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanambara araka izany ny Talen’ny BNGRC, fa hanomboka amin’ity anio ity ny fanadiovana ny lakan-drano mirefy 10 km manerana ny tanàna sy ireo lakan-drano madinika mpamoaka ny rano maloto. Asa ho tanterahina ao anatin’izany ny fanalana ireo fako mivaingana sy ny fotaka ary ireo izay rehetra manentsina ireny lakan-drano ireo. Ao anatin’izany dia ny asa atakalo sakafo no entina hanatanterahana azy. « Efa misy ny kajikajy napetraka amin’ny olona hanadio ireo toerana ireo. Miisa 1 594 izy ireo no ahetsika ary ezahina ho vitaina anatin’ny fotoana fohy ihany koa io asa io », hoy hatrany ny Talen’ny BNGRC, ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Etsy ankilany dia hanohana ihany koa ny SMA izay hitaona ny fako.

Toerana handraisana traboina miisa 80

Ankoatra io fanadiovana io dia vaindohan-draharaha ary efa niomanana efa volana maro ity fiatrehana ny fahavaratra ity, raha ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. « Isaky ny boriborintany sy ny fokontany amin’izao dia efa nametrahana ekipa eny an-toerana (equipe locale de secours) izay navaozina tamin’ity taona ity ary miisa 2000 izany », hoy ny avy ao amin’ny CUA. Efa nisy ihany koa ny fitsirihana ireo toerana handraisana ireo traboina miisa 80.

Hirosoana ny fanasaziana

Mampiakatra ny rano ny fako any anaty lakan-drano satria mampihena ny halalin’ny tatatra ireny. Manana fokontany miisa 192 i Antananarivo kanefa mbola maro ihany koa ireo tsy manaraka lalàna sy ny toromarika momba ireo fako ireo. Araka izany, nanambara ny Prefe an’Antananarivo fa hirosoana tsy ho ela ihany koa ny sazy ho an’ireo izay mandika ireo lalàna ireo. Ao anatin’izany ny asa ho tombontsoan’ny daholo be (travaux d’intérêt général), toy ny famafana lalana. Adidin’ny tsirairay mantsy ny mandray andraikitra amin’ny fiatrehana ity loza ity.

Lire la suite

Articles Similaires