Rivodoza Dikeledi : Lasa "Forte Tempête Tropicale", hiditra an-tanety rahampitso 11 janoary
Mitombo hery hatrany i Dikeledi, ka lasa rivodoza mahery na "Forte Tempête Tropicale". Rahampitso sabotsy 11 janoary, atoandro na alina, izy no hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratry ny Nosy.
Mitondra orana betsaka any amin’ny faritra avaratra atsinanana sy afovoany atsinanana i Dikeledi. Azo lazaina fa mahasoa izany noho ny haintany, nefa ahiana ny hisian'ny tondra-drano.
Rivodoza mahery vaika
Nitombo hery ka lasa "Forte Tempête Tropicale" i DIKELEDI. Androany 10 janoary, tamin’ny 09 ora maraina teo,tany amin’ny 851 Km atsinanan’i Sambava no nisy ny foibeny. 90 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 125 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 28 Km/ora. Raha ny vinavina, tombanana hiditra an-tanety any amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy i DIKELEDI rahampitso alina, eo anelanelan’ny Antsiranana sy Sambava. Mety ho Cyclone Tropical na Rivodoza mahery (140 Km/ora ny rivotra hiaraka aminy) izy amin’izay fotoana izay.
Fampitandremana
Ahiana ny tondra-drano, ny fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany amin’ny tapany avaratra manontolo vokatry ny rotsakorana betsaka (mihoatra ny 100 mm/24ora), mandritra ny fandalovan’i DIKELEDI. Ahiana ihany koa ny fiakaran’ny ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy nohon’ny alon-drano mety hihoatra ny 7 metatra.
-Filazana loza manambana (loko mavo) : ny faritra Diana sy Sava ;
-Filazana fanairana (loko maitso) : ny faritra Ambatosoa, Sofia ary Boeny.
Androany hariva no tokony hiampita na hiandriaka farany ireo mpampiasa ranomasina anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Vatomandry, mba hisorohana ny loza. Rahampitso atoandro kosa no farany azo ampiasana ny ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Besalampy.