• Cours de change
  • 5109.45 AR
  • |
  • $4478.81 AR
Copyright Image : © Shutterstock
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka : Ampianarina hikarakara sakafo maroloko ny renim-pianakaviana

06/01/2025 15:27 © Moov.Mg

Efa ho ny antsasaky ny zaza malagasy no tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka, araka ireo antontan’isa isan-karazany. Isan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahaizan’ny Malagasy misakafo, noho ny fahazarana nifandovana.

Olana ara-pitomboana

Raha ny fanjariantsakafo mahery vaika no tranga manaitra any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara, amin’ny ankapobeny, dia ianjadian’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka kosa ny ankizy monina amin’ny faritra afovoan-tany. Ny 40% amin’ny ankizy latsaky ny 5 taona eto Madagasikara no miaina izany tsifanjariantsakafo mitarazoka izany, araka ny antontan’isa voarakitry ny Drafitrasa Nasiônaly ho an’ny Fanjariantsakafo 2022-2026. Maro ny antony mahatonga izany, toy ny fahantrana, ny olana ara-toetr’andro izay mampikorontana ny fambolena, fa indrindra koa ny tsy fahaizana misakafo.

Tsy vitsy amin’ireo zaza malagasy tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka no voky vary, fa tsy ampy otrikaina. Ao amin’ny Faritra Itasy izao, dia ankizy latsaky ny 5 taona iray amin’ny roa no manana olana ara-pitomboana, noho ny tsy fihinanana sakafo miovaova. Isan’ny manampy ireo renim-pianakaviana mba hanana fahazarana tsara kokoa, ka hikarakara sakafo maroloko ho an’ny fianakaviany, ny fikambanana tsy miankina Action contre la faim (ACF).

Tsy ampy fidiram-bola

Manatanteraka fanentanana sy fampianarana mba hahay hahandro karazan-tsakafo hafa, fa tsy mionona amin’ny vary fotsiny, ny manam-pahaizana momba ny fahaizana misakafo avy amin’ity fikambanana tsy miankina ity. Isan’izany, ohatra, ny fahandroana ny vomanga karaoty, ilay karazany manana nofo miloko volomboasary, izay be vitaminina. Sady mampianatra mahandro, ny manam-pahaizana momba ny sakafo, no mampahafantatra ireo voka-tsoa entin’ny karazan-tsakafo ahandroina ihany koa.

Roa taona lasa izay no nizarana masombolina vomanga karaoty ho an’ireo mponina ao Ambararatabe, Faritra Itasy. Efa saika mamboly izany avokoa ireo tokantrano, ka afaka mihinana izany, ampifanolosoloina amin’ny vary. Mbola olana anefa ny tsy fahampian’ny fidiram-bola, ka indraindray dia mbola amidy izany, mba hanefana ny saram-pianaran’ny ankizy, na koa hanatanterahana ny anjara adidy, toy ny rehefa misy ny famadihana.

Lire la suite

Articles Similaires