Androm-pifidianana : Sady famitana adidy ho an'ny firenena no fakan'aina miaraka amin'ny ankohonana
Tsy mandany fotoana firy ny fandehanana mifidy. Tsy vitsy araka izany ireo manararaotra maka aina ao an-trano, miantsena na mitsangatsangana kely miaraka amin'ny fianakaviana mihitsy aza.
Tsy mandany fotoana ny fandehanana mifidy
Efa samy manana ny fandaharam-potoanany ny mpifidy tsirairay amin'izao androm-pifidianana izao. Misy ireo nandoha vao maraimbe, satria tamin'ny 6 ora maraina dia efa nisokatra ireo biraom-pifidianana rehetra manerana ny Nosy. Misy kosa ireo misafidy hiandry atoandrotoandro na harivariva.
Na misy aza ny filaharana, mandroso haingana izany. Raha vao miditra ny efitrano ny mpifidy dia hamarinina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana, ka ampitoviana amin'ny ao anaty karapanondro sy kara-pifidianana ny anarana. Vita izay dia mahazo bileta tokana ka mamonjy ny toerana misy takona hanaovana fanamarihana ao anatin'ilay bileta tokana. Aforitra ilay bileta ka arotsaka ao anaty vata mangarahara. Mamarana izany ny sonia sy ny fanosorana ranomainty ny ankihibe.
Mivoha ireo magazay lehibe sy trano fisakafoanana ary toeram-pitsangatsanganana
Fotoana fanararaotan'ireo mpivarotra mitady vola ny andro tsy fiasana toy izao. Mifanaretsaka ny olona eny an-tsena, indrindra amin'izao fanomanana ny fetin'ny krismasy sy ny faran'ny taona izao. Mivoha avokoa ny ankamaroan'ireo magazay lehibe. Tsikaritra ihany koa fa mivoha ny ankamaroan'ireo trano fisakafoanana sy toeram-pialam-boly, indrindra ireo mivoaka kely ny renivohitra. Ampahatsiahivina nefa fa voarara ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola amin'ity tontolo andro ity, hatramin'ny 12 ora alina. Mahazo misokatra ireo "bar" saingy takonana lamba ireo tavoahangina labiera, divay sy toaka rehetra. Entina hitsinjovana ny filaminana mandritra ny androm-pifidianana izany.