• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Chido : Ho lasa Cyclone Tropical, handalo ny faritra avaratr'i Madagasikara

10/12/2024 11:29 © Moov

Nitombo hery ka lasa rivodoza, ary nomena ny Anarana hoe CHIDO, ilay andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasimbe Indiana.

Tsy ho afa-miala amin'ilay andro ratsy niforona tao amin'ny ranomasimbe Indiana ny faritra avaratry ny Nosy. Tsy maintsy miomana ny any amin'ny faritra Diana sy Sava amin'ny orambe sy ny rivo-mahery amin'ny faran'ity herinandro ity. Mazava ho azy, mety hisy fiatoana ny fivezivezena sy ny fanao andavan'andro, na asa na fianarana.

Tamin’ny 09 ora maraina teo, tany amin’ny 1292 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben'i Chido. Lasa Forte Tempête Tropicale izy izao maraina izao, izany hoe niha-nahazo hery, ka niakatra ho 90 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 125 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary avaratra andrefana izy ka nahafaka 14 Km/ora.

Mbola hitombo hatrany ny heriny

Tombanana hitombo hery hatrany i Chido ka mety ho lasa rivodoza mahery vaika ny Alakamisy izao. Araka ny vina lavitra dia manambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy ity rivodoza ity ny Zoma 13 Desambra ho avy izao amin’ny tanjaka Cyclone Tropical. Manoloana izany dia manaitra ny mponina amin’ny faritra Diana sy Sava mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maitso (Avis d'Avertissement).

Iangaviana ihany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Ste Marie mba tsy hiandriaka intsony manomboka ny Alakamisy ho avy izao. Hahery na hahery be ny ranomasina. Noho izany, tombanana ho 2,5 hatramin’ny 3,5m eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy Toamasina. 3,5 hatramin’ny 4,5m eo anelanelan’i Sambava sy ny tanjona Angotsy ary hananika ny 5 hatramin’ny 8m manakaiky ny tendrony avaratra. Tsara raha tsy manomana dia an-dranomasina mihitsy amin'iny faritra avaratra sy atsinanana iny amin'ny faraparan'ity herinandro ity. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony mba hisorohana ny loza.

Fitandremana ho an'ireo mponina voakasika

Tsara raha miomana dieny izao ireo faritra ho lalovan'ny rivodoza Chido. Mila hamafisina ny trano sy ny tafo. Raha mipetraka amin'ny toerana akaiky ny ranomasina na amin'ny faritra mora dibo-drano dia tsara raha mitady toerana azo antoka kokoa, indrindra raha misy zaza sy beantitra ao an-trano. Matetika dia azo andraisana olona ireo sekoly na fiangonana. Ilaina ihany koa ny manangona sakafo sy rano fisotro madio, satria mety ho voafetra ny fivezivezena. Tokony hijanona avokoa ireo asa an-dranomasina, toy ny fitaterana sy ny fanjonoana, rehefa manome baiko ireo tompon'andraikitra.

Miankina amin'ny fivoaran'ilay rivodoza no hahafantarana izay mety ho fiantraikany amin'ny toetry ny andro amin'ny faritra hafa.


Copyright Image : © Météo.jpg

Lire la suite

Articles Similaires