Fotoam-pahavaratra : Olona miisa 2000 mahery tandindomin-doza eny amin’ny faritra avo eto Antananarivo
Mitoetra ho toerana ahiana amin’ny fihotsahana samihafa ny faritra avo eto Antananarivo rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. Olona maherin’ny 2 000 no ahiana ao anatin’izany. Dieny mbola tsy mitranga ny loza dia efa mandray andraikitra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC. Miara-maisa akaiky amin’izy ireo amin’izany ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny“Croix rouge” Malagasy ary ny vondrona vonjy voina na CPC.
Saina mena miisa 400 no napetraka
Ny fisian’ireo vatobe izay mety hianjera amin’ny fotoana rehetra amin’ny fotoanan’ny fahavaratra toa izao sy ny firafitry ny vato sy ny tany eo aminy izay voasokajy ho mora mihotsaka ka mametraka ambana ho an’ireo mponina no tena atahorana. Hiarovana sahady ireo mponina araka izany dia saina mena miisa hatramin’ny 400 no napetrak’ireo sampan-draharaha ireo teny an-toerana ny herinandro lasa teo. Natao izany ho fanairana ireo olona fa tandindonin-doza izy ireo ka tokony handray fepetra mialoha ny fahatongavan’ny fahavaratra. Sady fampahafantarana ihany koa ho an’ireo izay mbola tsy mahafantatra izany. Tokantrano 400 na olona manodidina ny 2000 no voakasika ao anatin’ity hamehana ity. Tanjon’izany ny hanairana sahady ireo mponina ireo fa tokony handray fepetra izy ireo mialohan’ny fahatongavan’ny oram-be anatin’ny fotoam-pahavaratra.
An-tsitrapo fa tsy fanerena
Antony hametrahana ireto saina mena ireto ny hanairana ny mponina mikasika ny loza manambana azy ireo. Tanjon’ny BNGRC ny handraisan’ireo mponina fanapahan-kevitra fa tsy terena hiala amin’ny tranony. Ireo mponina ihany no mahalala fa mety hanahirana azy ny mbola fijanonany eo amin’ny toerana misy azy. Fokontany miisa 7 no voaray ao anatin’izany toerana izany. Ao anatin’izany i Manjakamiadana, Ambohipotsy sy iny Andafiavaratra iny sy ireo hafa. Marihina fa isan’ny laharam-pahamehana ho an’ny BNGRC ny fametrahana saina mena eny amin’ireo toerana ireo. Efa nandritra ny 5 taona izao no nanatanterahana izany hetsika izany ny BNGRC ary azo lazaina ho nahomby amin’ny ampahany ho an’ireo izay manolo-tena hiala.