Centre Mère-Enfant Antohomadinika : Fialofana ho an’ireo fianakaviana marefo
Olona maherin’ny 500 isa isan’andro no raisin’ny Centre Mère-Enfant (CME) Antohomadinika an-tanana, ka ankizy madinika sy tovovavy niteraka tsy manam-bady ny ankamaroan’ireo. Notokanana omaly ny ivon-toerana vaovao handraisan’ny fikambanana MA.D.E. (Maisons Des Enfants ETS) ireo olona marefo ireo, tetikasa notohanan’ny Fondation Axian.
Sekoly tsy miankina efa tsy niasa intsony no nohavaozina indray, mba hifanaraka amin’ny filàn’ny fikambanana MA.D.E., amin’ny fikarakarany ireo reny sy zaza marefo ao Antohomadinika sy ny manodidina. Ny Fondation Axian no nanohana ara-bola izany fanavaozana izany. Araka izany, efitrano malalaka kokoa sy hary fitaovana kokoa no handraisana an-tanana ireo olona maherin’ny 500 mila tohana isan’andro.
Manohana fianakaviana sahirana
Efa folo taona izao no niasa teny amin’ny faritr’Antohomadinika, ao anatin’ny boriborintany voalohan’ny Kaominina an-drenivohitr’Antananarivo, tanàna izay sokajiana ho isan’ny marefo, ny fikambanana MA.D.E.. Asa sahaniny, ny fanohanana ireo fianakaviana sahirana amin’ny fampianaran-janaka, amin’ny alalan’ny fandoavana ny saram-pianaran’ireo mpianatra sy ny fiantohana ny fitaovana ilain’izy ireo any an-tsekoly. Manome sakafo ho an’ireo ankizy ihany koa ny fikambanana, hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo. Tsy adino ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana sy fitsaboana. Eo ihany koa ny fanofanana arak’asa, indrindra ho an’ny vehivavy, mba hananan’izy ireo fahaleovan-tena ara-bola. Ankoatra izay dia misy ny fanohanana ireo ray aman-dreny, amin’ny fanampiana azy ireo hahay hanabe ny zanany, fa ihany koa ny fanentanana sy fanofanana momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy.
16 andro iadiana amin’ny herisetra
Ho an’ny taona 2023, dia ankizy 280 isa no noraisin’ny fikambanana MA.D.E. teo anivon’ny CME Antohomadinika, tao anatin’ny fandaharanasan’izy ireo momba ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo. Ankizy 210 kosa no nampidirina an-tsekoly. Vehivavy 98 no nofanina ary 50 no voaentana momba ny ady amin’ny herisetra. Isan-taona dia tombanana ho sakafo 30.000 isa no voazara, ao anatin’ny fandaharan’asan’izy ireo momba ny fampisakafoanana an-tsekoly sy ny fisorohana ny tsifanjariantsakafo. Maherin’ny 2.000 isan-taona kosa ny fizahana ara-pahasalamana sy fitsidihana isan-tokantrano tanterahin’ny fikambanana, ao anatin’ny fandraisana an-tanana ara-tsôsialy.
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra (16 jours d’activisme) ity hetsika fanohanana ny CME Antohomadinika, nataon’ny Fondation Axian ity. Mandray anjara mavitrika amin’ny ady amin’ny fanilikilihana sy ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy mantsy ny Fondation Axian, mba hiantohana hoavy azo antoka sy mampiaty ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ny fianakaviana marefo. Noho izany, manohana tanteraka ireo hetsika fisorohana, amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny fampahaleovan-tena ara-toekarena ny vehivavy, izy ireo.