• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Fiompiana trondro : Natomboka tao amin’ny CEG Amborovy Mahajanga ny tetikasa « pisci-ecole »

29/11/2024 11:44 © Moov

Tafiditra anatin’ny ezaka fanapariahana ny fiompiana trondro ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny jono sy ny toe-karena manga amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Mitsidika ny faritra Boeny ny Minisitry ny jono amin’izao fotoana izao ary nandritra izany no nanombohana ny tetikasa « pisci-ecole ». Ao amin’ny CEG de référence Amborovy Mahajanga moa no hametrahana izany.

Fanapariahana ny fiompiana trondro

Isan’ny tafiditra ao anatin’ny paikady amin’ny fanapariahana ny fiompiana trondro ity fiaraha-miasa ity. Tanjona amin’izany ny hampitombo ny isan’ny mpiompy. « Ny tanjona lehibe ho tratrarintsika amin’izao dia ny hanova ny fiompiana trondro ho toy ny fiompiana akoho ka hanao izany avokoa ny malagasy rehetra. Amin’ity paikady ity dia ny mpianatra no hampianarina ka hitondra izany amin’ny fianakaviany sy ny mpiara-monina aminy », hoy ny Minisitra Mahatante Paubert, raha nitafa tamin’ireo mpianatry ny CEG Amborovy ny tenany. Nanamarika moa izy fa hampianarana ny ankizy hiompy trondro no ho ataon’ny tetikasa. Mbola vao fanombohana izany tao amin’ny CEG Amborovy izany fa ezahina ho aparitaka amin’ny sekoly maro manerana ny Nosy ny tetikasa. Ny fomba fiompiana trondro amin’ny alalan’ny dobo ivelan’ny tany (bassin hors sol) ity hampiharina ity.

Hampitombo ny fihinanana trondro

Mbola isan’ny tanjona amin’ny tetikasa ihany koa ny hampitombo ny fanjifan’ny Malagasy trondro. « Raha ny tarehimarika farany dia 7kg isan-taona isaky ny olona no hany trondro hoanin’ny Malagasy raha tokony ho 24kg izany. Tanjontsika amin’izao dia ny hanatratra ny fetra afaka jifain’ny afrikanina izay 11kg isan-taona isaky ny olona », hoy hatrany ny fanazavana. Araka izany, efa miroso ny ezaka. Manana fomba fiompiana karazany 4 haparitaka isika eto Madagasikara amin’izao. Ao anatin’izany ity fiompiana anaty dobo ivelan’ny tany ity, eo ihany koa ny fiompiana trondro anaty dobo, ny fiompiana anaty tanimbary ary ny fiompiana anaty fefy mitsingevana (en cage). Samy efa ahitana karazany samihafa amin’ireo manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires