Tetikasa DEFIS PLUS : Haharitra 6 taona ary ho sitrahin’ny faritra miisa 6 ihany koa
Miroso ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha malagasy amin’ny alalan’ny tetikasa DEFIS PLUS. Ity farany ity izay fifanarahana teo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (FIDA), natao ny 31 Jolay 2024 izany. Lany teo anivon’ny Antenimierandoholona omaly, 28 novambra 2024 ity volavolan-dalàna laharana faha-020/2024 ity.
Tetikasa tantanan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary vatsian’ny Fond vert pour le climat (FVC).
Faritra miisa 6
Hisitraka ny tombony amin’ity tetikasan’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ity ny faritra 6 eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny faritra Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Ihorombe, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Amin’ny ankapobeny dia ireo faritra ahitana tantsaha sahirana amin’ny velon-tenany no hiasana. Vokatry ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay mahatonga ny loza voajanahary mahery vaika amin’ireo faritra ireo izany. Izay ihany koa no antony nisafidianana ireto farany. Tanjon’ny tetikasa ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo tantsaha, ny fanomezana fahafahana ho an’ireo tantsaha ireo hiditra mivantana amin’ny tsena ary ny fiantohana ny fanjarian-tsakafo ho an’ny tokantrano tantsaha marefo miisa 104 000. Marihina fa haharitra 6 taona ity tetikasa ity ka hifarana ny taona 2029.
Fanoherana ny fiovaovan’ny toetr’andro
Atao laharam-pahamehana ato anatin’ny tetikasa ny fanatsarana ny fahafahan’ireo tantsaha manohitra ny fiovaovan’ny toetr’andro. Amin’ny alalan’ny fanamafisana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa ara-pambolena no hanatanterahana izany. Eo ihany koa ny fiarovana ny sahandriaka sy ny fametrahana rafitra fitehirizana rano. Hanampy izany ny fampiroboroboana ny famokarana ara-pambolena maharitra mifanaraka amin’ny toetr’andro, izay ahitana ny fampiasana masomboly, teknika, fitaovana ary rano miovaova, ary ny fambolen-kazo. Zava-baovao ihany koa ny tetikasa amin’ny fametrahana rafitra vaovao momban'ny toetr’andro, izay hanomezana vaovao mahomby ho an’ny tantsaha mba hahafahana mamantatra ny fotoana tsara indrindra hanaovana fambolena. Raha tsiahivina dia mitentina 53 856 tapitrisa dolara ity famatsiam-bola avy amin’ny FVC ity. Ny 41,045 tapitrisa dolara kosa dia omena amin'ny endrika fanomezana.