Fampiasana angovo azo havaozina : Hatomboka ao Antsirabe ny tetikasa Mada-gaz
Noraisin’ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra tao amin’ny efitrano Multi-fonction Ivotika ny Delegasiona avy amin’ny tetikasa Mada-Gaz. Raha ny fampahafantarana nandritra izany dia hatomboka ao Antsirabe, ny taona 2025 izao ity tetikasa ity.
Hanangana fotodrafitrasa
Ny Mada-Gaz dia tetikasa iray hamokatra entona fampiasa andavan’andro, indrindra ho an’ny fahandroana sakafo, izay ho fanamafisana ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio. Hatsangana ao Antsirabe amin’ny taona ho avy io araka izany ny fotodrafitrasa izay hiasana. Mialoha izany anefa dia ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny tetikasa amin’izao. Dingana iray izay tsy maintsy arahaina alohan’ny fanatanterahana ny asa lehibe toy izao izany. Vondrona fanodinana fako na izay azo ahodina ho lasa zezika na « méthanisation » ho an’ny fambolena, sy toby famenoana tavoahangy biogaz ho an'ny fandrahoan-tsakafo ity hatsangana ity. Ity tetikasa ity izay hampisitraka tombony maro ho an’ny mponin’Antsirabe sy ny manodidina. Hanampy izany ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampihenana ny fanapotehana ala sy ny manodidina izany.
Tombontsoan’ny mponina
Maro ny sehatra hahazo tombony amin’ity tetikasa ity satria hisy ny famoronana asa, indrindra ho an’ny tanora. Hisy ihany koa ny tombony ho an’ny tantsaha amin’ny zezika izay ho vokarina avy amin’ny fanodinana ny fako. Mbola tombony lehibe ankoatra izany ihany koa ny fampiasana entona any antokantrano. Ankoatra an’Antsirabe dia afaka hisitraka izany tombony amin’ny entona ampiasaina izany ihany koa ny manerana ny Nosy, indrindra ny eto Antananarivo. Raha ny tanjon’ny Mada-gaz dia tokantrano miisa 3000 no omena 3200 Mwh isan-taona. Hanampy izany ihany koa dia hanome vokatra azo hambolena toy ny zezika isan-karazany hatramin’ny 6 000 taonina isan-taona izy ireo.