• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pm/Mtefop
Image
Vaovao

OIT Afrika : Nanohana an’i Madagasikara amin’ny fametrahana ny rariny ara-tsôsialy

26/11/2024 09:16 © Moov.Mg

Nihaona tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ary ny Asam-panjakana ny talem-paritry ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) aty Afrika, Fanfan Rwanyindo Kayirangwa, izay mamita iraka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny OIT no isan’ny vontoatin’ny fihaonana.

Fampiroboroboana ny asa mendrika

Efa nanomboka ny taona 1960 i Madagasikara no isan’ny mpikambana ao anatin’ny OIT. Marobe ny fanatsarana ny sehatry ny asa nanomezan’ity vondrona iraisam-pirenena ity tohana ny firenena malagasy, toy ny ezaka fametrahana ny fisitrahana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra, na mpiasa amin’ny orinasa, na mpiasa tena. Ny OIT no azo lazaina ho mpiara-miombon’antoka voalohany amin’ny ministeran’ny ny Asa, ny Fampananan’Asa, ary ny Asam-panjakana.

Teny amin’ny ministera foibe 67 Ha no noraisin-drtoa Razakaboana Hanitra Fitiavana, minisitry ny Asa, rtoa Fanfan Rwanyindo, talem-paritry ny OIT aty Afrika. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, eo amin’ny fametrahana ny rariny ara-tsosialy, ny fampiroboroboana ny asa mendrika eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fanamafisana ny rafitra nasionaly, toy ny fandaharanasan’ny firenena ho an’ny asa mendrika ary ny politikam-pirenena momba ny asa, izay mitaky fanavaozana, manoloana ny zava-misy ankehitriny.

Fampananan’asa ny rehetra

Nanamafy kosa ny praiminisitra Ntsay Christian, raha nandray an-drtoa Fanfan Rwanyindo teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo, fa laharam-pahamehana ho an’i Madagasikara ny fampananana asa, indrindra ho an’ny tanora sy ny vehivavy, ary koa ny fiahiana ara-tsosialy, araka izay voasoritra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.

Ho an’ity androany ity dia hanatrika ny lanonana ho famoahana amin’ny fomba ôfisialy ireo tanora manana fahasembanana miisa 67, izay nahavita ny fiofanany arak’asa, teny amin’ny Ivon-toerana Nasiônaly hanofanana arak’asa ireo olona manana fahasembanana (CNFPPSH), eny Tsarahonenana Ampandrianomby, ny talem-paritry ny OIT Afrika.

Lire la suite

Articles Similaires